Kongresy nasionalin’ny TIM – Olona 20.000 eo no handrasana eny amin’ny Magro Tanjombato

Isambilo

Olona miisa 20.000 eo no handrasana ho tonga eny amin’ny Magro Tanjombato mandritra ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM, izay ho tanterahana ny 1 jolay ho avy izao. Io no anisan’ny nambaran’ny birao politika sy ireo depiote TIM nitafa tamin’ny mpanao gazety afak’omaly, birao politika sy depiote nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ny mpikambana amin’ny birao politika Julien Andriamorasata, ny depiote isany: Fetra Ralambozafimbololona, Ramboasalama Emilien, Alain Ratsimbazafy ary ny depiote Gerry Randriambolaina.

Nampahafantatra ny fanamboarana ny toerana handraisana izany kongresy nasionaly izany izy ireo, mizotra tsara ny asa ankehitriny, hatao mitafo ny toerana handraisana ireo mpizaika an’aliny avy amin’ny lafy valon’ny Nosy handray anjara amin’izany kongresy nasionaly izany. Fantatra ihany koa fa mbola hitohy ireo kongresim-paritra hatramin’ny voalohan’ny volana jolay io: ny faran’ny herinandro izao: ny 10, 11 ary 12 jona, ny kongresim-paritra any Fitovinany, hatao ao Manakara; ny any Atsimo Atsinanana, hatao any Vangaindrano; ny any Vatovavy hatao any Mananjary. Amin’ny herinandro ho avy kosa ny 15 sy ny 17 jona, no hatao ny kongresim-paritra any Amoron’i Mania sy Vakinankaratra, ary ny 24 jona no hatao ny kongresim-paritra any Alaotra Mangoro. Ireo faritra efa nahavita ny azy kosa dia efa samy nanambara, fa hanana solontena avokoa amin’io fihaonamben’ny TIM eto an-drenivohitra io.

Fa ankoatra izany nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety ny talata teo, nanambara ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro fa: «miantso ny fitondrana hamoaka ny datim-pifidianana ofisialy ny TIM, raha ao aminy tokoa ny fahavononana. Maro ireo olona miantso ny hirotsahan’ny filoha RAVALOMANANA ho kandida sy ny hiverenany indray eo amin’ny fitondrana ary tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ity taona ity. Koa miantso ny fitondram-panjakana hamoka ny “décret” sy ny daty mba hiomanan’ny vahoaka sy ny kandida, fa tsy terena ny olona hiditra anaty lisitra kanefa ny “convocation des électeurs” hatramin’izao tsy mivoaka».