Mpanolotsaina Kaominina Fianarantsoa – Nogiazan’ny ben’ny tanàna tsy ara-drariny ny karamany

Nangonin’Isambilo

Nitory ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa amin’izao fotoana ny mpanolotsainan’ny kaominina iray Andriamatoa Maevah, izay Polisy Monisipaly, satria nogiazan’ny ben’ny tanàna ny karamany. Milaza ity mpanolotsain’ny kaominina ambonivohitra ao amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra ambony ity fa: « Police municipale nanomboka 2002, encadreur ny police municipale ny 2019, talohan’ny nilatsaka hofidiana ary lany tamin’ny anaran’ny antoko TIM.

Araka ny article 260 de la loi organique num 2014-20 du 27/09/14 dia nanaovana arrêté de détachement niainga tamin’ny fangatahan’ny Prezidà ny conseiller ny 24 janoary 2020; arrêté voasonian’ny Maire ny 20 martsa 20209 ary nalefa tamin’ny district, ka nahazo conformité ny 06 oktobra 2020. Rehefa nilamina ireo antotantaratasy dia namoaka hatrany ny bon de caisse-ko ny Trésor, ary mamomjy ny adidy amandraharaha ao amin’ny filankevitra aho.

Nanomboka ny febroary 2023 dia nasain’ny Maire nalefan’ny service finance any aminy ny bon de caisse-ko, ka 4 no any izao dia ny karama volana aprily, jona, jolay 2022, satria moa misy fahatarana ny fandoava-karama eto. Nanao fangatahana ordonnance tamin’ny Presidente TPI Fianar ny 06 martsa 2023, ka azo ny 02 mey 2023, nanao ny asany ny vaditany ny 16 mey 2023, ka nahazo valiny ny 30 mey 2023 maraina. Nametraka ny fitoriana amin’ny fampanoavana ny 30 mey 2023 folakandro rehefa tsy azo ny bon de caisse. Raha nisy ny olana momba ny situation manokana dia vao nanomboka dia tokony nitondra ny raharaha tamin’ny Tribunal Administratif ny Maire fa tsy efa amin’ny fahataperan’ny mandat. Mazava fa resaka politika no mahatonga izao fanagiazana izao, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra».