EDITO 8 Jona – Noho ny ataon-dry Rajoelina – Manakoako eran-tany ny laza ratsin’ny firenena

Beharo

Fantatra ary mazava, fa manakoako eran-tany ny laza ratsin’ny mpitondra fanjakana Rajoelina sy ny manodidina azy rehetra amin’izao fotoana. Ny tatsy amin’ny Nosy la Réunion ohatra dia ity saina fotsy mitsangana etsy sy eroa eto amintsika ity, noho ny tsy fahazotoana manangana ny fotsy, mena, maitso, no resaka miparitaka eny amin’ny samy tera-tany malagasy. Vao nandeha ilay fanehoana ilay mikiraviravy amin’ny sisin’ny saina iny tetsy amin’ny lapan’ny tanàna nilazana fa lokom-boasary, dia hoy ireo tany an-toerana nanao hoe: tsy matotra ry Rajoelina sy ny ekipany, tsy mahalala sy tsy mahatadidy ny loko mena fahiny tamin’ny andron-dRatsiraka.

Tsy tokony io lokom-boasary io no arantiranty hanimbana saim-bahoaka, fa ny fahaiza-manao. Ry zareo avy any amerika indray dia nilaza fa mialohan’izao fifidianana izao, dia hita sy tsapa fa manao “Provocation”, mihantsy ady ny fitondrana Rajoelina sy ireo manodidina azy, porofon’izany ny jiro tapatapaka, ny rano tsy mandeha, ny vidin’entana misondrotra tsy miato, miandry hetsika sy fidinana an-dalambe, ka raha vao misahotaka dia tetezamita indray ho entin’ny ekipan-dRajoelina hatrany, ka mety hahatafaverina azy eo indray afaka 2 na 3 taona eo ho eo no ketrehany. Ry zareo avy any Frantsa moa dia tsy vitsy no niteny indrindra fa taorian’ny raharaha Fanirisoa Erinaivo, fa politika tsy manjary no misy eto, manao “medecin après la mort” ny fitondrana, sain-jaza amin’ny lafiny maro. Tsy mijery izay laharam-pahamehana, ary manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, nefa dia mandrora mitsilany hatrany.

Hatrizay toa tsy mba taitra tamin’ny fizarana moto sy bisikileta na fiarakodia ohatra, ka efa ao anaty fahasarotana amin’ny resaka solika vao mizarazara etsy sy eroa. Hita sy tsapa fa mody manome fanambatambazana indray mialohan’ny andro vitsivitsy ipetrahana eo, dia efa milaza ankolaka hoe: fidio aho. Ny sasany koa dia naneho fa fizarana galona ny fanondrotana grady izany, teo aminy sy ny tafika ohatra dia efa fiomanana ny hipetraka eo indray amin’ny fotoana manaraka. Ny vazaha nahazoam-peo dia nilaza fa sekoseko any ivelany, fanaronana ny ratsy vita fotsiny ihany ireny, toy ny fananganana faritra faha-24 kasain-katao atsy ho atsy indray.

Efa simba avokoa ireo kinasa tamin’ny velirano tsy am-piheverana, vao mihazakazaka etsy sy eroa manadio tena, ka nahavita nividy angidimby mihitsy ohatra. Tongotr’ila sisa no mihazona azy hoy ny rehetra, satria izay hilatsaka ho fidiana eo dia efa manambana sy manilika azy tanteraka mihitsy, aleo hoy ny feo avy any ivelany mamerina an-dRavalomanana eo indray, soa ho lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako, toy izay mbola hiaraka amin’i Boaikely mandrora mitsilany eo, ka ho loza manara-penitra hafakely eo indray no hitranga.