Kongresim-paritra – Tsy nitsanga-menatra, naneho firaisankina ny TIM Boeny

Isambilo

Tontosa soa amantsara ny sabotsy teo, tao amin’ny Lycée FJKM Ziona Vaovao Mahajanga, ny kongresim-paritry ny TIM Boeny. Fahombiazana tanteraka izany, na teo aza ny sakana tamin’ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana tany an-toerana ny alakamisy teo, nisian’ny lakrimôzena nipoaka nalefan’ireo herim-pamoretan’ny fitondrana. Feno hipoka ny tao an-trano, maro koa ireo tao ivelany tamin’io fotoana io, fa tsy tafiditra.

Tsy nitsanga-menatra i Mahajanga ary naneho firaisankina tanteraka izy ireo, niara-nientana tamin’izany koa ny mpitarika nahitana an’Andriamatoa isany Ravokatra, Sidy, Achim Kely, Joachim, ny senatera teo aloha Jeanson Ratiarinaivo,… Nahatonga solontena avokoa ireo distrika 6 mandrafitra ny faritra Boeny dia Mahajanga I sy II, Mitsinjo, Soalala, Marovoay, Ambato Boeny. Tonga tany an-toerana koa ny avy any Betsiboka toy ny avy any Kandreho, sy ny solontena avy any Sofia.

Niatrika izany tany an-toerana ny Filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, notronin’ny birao politika, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ireo depiote voafidy amin’ny antoko, notarihan’ny filohan’ny vondrona Parlemantera TIM : Fetra Ralambozafimbololona, nahitana ny depiote isany Ramboasalama Emilien, Feno Ralambomanana, Todisoa Andriamampandry, ny depiote Rastany, ny olom-boafidy TIM : Collectif des Elus notarihan’ny filohany Christiana Andrianjafy,…

Nambaran’ny filoha Ravalomanana tamin’io fotoana io fa : « henoko ary hitako ny fijaliana manjo anareo amin’ny lalana ratsy, ny tsy fandriampahalemana, ny delestazy, fiainana tsy sahaza ny maha olona,… hiray hina isika hanarina izany. Tsy mihemotra intsony isika. Manaja ny lalàna isika fa tsy manaiky verezin-jo. Mila FIFIDIANANA ny Malagasy rehetra. Aok’izay, hajao ny LALAM-PANORENANA. Leo Jadona, leo herim-pamoretana, leo tampenam-bava ny vahoaka, » hoy izy. Any Manakara sy Farafangana ary Mananjary indray, ny kongresim-paritra manaraky ny antoko TIM amin’ny faran’ity herinandro ity.