Miala Rajoelina – Ela namitahana ka mamita-tena ny farany

Andry Tsiavalona

Ela namitahana nandritra izay 4 taona izay, ka mamita-tena amin’izao fotoana ny filoha Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy, raha ny zava-nisy tany Maroantsetra sy Mananara Avaratra faritra Analanjirofo ny faran’ny herinandro teo no halalinina sy hadihadiana. Ny vahoaka tonga niatrika azy nandritra izany dia tsy fitiavana an-dRajoelina loatra, fa hijery fampisehoana an-tsehatra nataon’ireo tarika kalaza any an-toerana no nahatonga azy ireo tao an-kianja, sy noho ny tombola natao. Efa leo izao fitondrana izao ny mponina any amin’iny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’i Madagasikara iny amin’izao fotoana noho ny fitotongan’ny vidin’ny lavanila, ka zara aza misy lanonana sy tombola bôjo ka dia tonga ny olona, fa tsy noho i Rajoelina velively, izay fantatr’izy ireo ihany koa fa tsy maintsy hiala afaka 95 manomboka androany, izany hoe : J- 95.

Ankoatra izany, mitohy tsy misy fitsaharana ny filàna sotasota ataon’izao fitondrana Rajoelina izao amin’ireo olompirenena heveriny fa: manelingelina azy eo amin’ny ezaka ataony, mba hangalany ny fon’ny vahoaka indray, sy manozongozona ny sezany ary mampihetry ny lazany eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Efa betsaka ny nosamborina ireo mpampaneno lakolosy fanairana hanitsiana ny làlan-kizorana tsy mitondra any amin’ny fampandrosoana, eo koa ireo nogadraina ka namoronana antontan-taratasy nanendrikendrehina azy ireny ho nampikomy vahoaka ary tsy azo adidnoina ireo mpanao gazety sahy namotsipotsitra ny kolikoly sy ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko ary ny hadalàna ataon’ny mpitondra. Mtohy ihany koa ny sakantsakanana ireo mikasa haneho hevitra fanairana ny mponina amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny fahatapahan-jiro tsy misy fiafarany. Ny tena loza amin’izao vanim-potoana fanomanana fifidianana izao dia tsy avela hihetsika sy hanentana ny mpiray firenena hanamarina ny anarana ao anaty lisitry ny mpifidy, ka sakanana etsy sy eroa ary ampiasaina ny zandary indrindra indrindra hanatanteraka baiko amin’izany. Vao ny herinandro teo, no nanao hetsika ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy (Malama): Doris Rakoto Samuel, sy ny Gasy Leo nentiny naneho ny alahelony manoloana ny fahantrana mianjady amin’ny mpiray firenena izao. Tena naneho fitiavan-tanindrazana sy fitiavana ny mpiarabelona tokoa ny tenin’ity vehivavy ity hoe « aleoko maty toy izay mahita ny Fireneko mandady ». Efa nampitahorin’ny zandary nosamborina moa izy, fa ny filohan’ny Gasy Leo no nentina an-kerisetra teny Fiadanana. Araka ny vaovao farany omaly anefa, fantatra fa nosamborina vao maraina tao an-tranony i Doris. Tsy misy afaka mikimpy manoloana izao fahantrana mianjady amin’ny Malagasy, ny tsy fandriampahalemana sy ny fanitsakitsahana ny lalàna, indrindra ny Lalàm-panorenana, ataon’ny mpitondra ary ny tsy famelana ny antoko politika sy fiarahamonim-pirenena haneho hevitra izao.

Niaraha-nahita ny vaovao nanakanana ny Filoha Ravalomanana Marc tany Analavory ary nanipazana baomba manempotra izy tamin’izany. Iaraha-mahatadidy ny nanaovan’ny fitondrana tetezamita ny Profesora Zafy Albert teny Anosy, ka nanimpazan’ny herim-pamoretana baomba mandatsa-dranomaso ihany koa tamin’izany fotoana izao. Namerina ny hadalàna tamin’ny filoha Ravalomanana Marc indray ny fitondrana, ka nanakana azy raha nandeha hihazo an’i Mahajanga izy. Matoa nampiseho ny tsy fanekeny lembenanana tahaka iireny ny vahoaka tany an-toerana dia tokony efa hitsara tena Rajoelina Andry sy ny mpiaradia aminy, satria tsy mitovy tokoa ny mponina any Mahajanga sy ny any amin’ny Faritra hafa eo amin’ny fihetsehampo ary fanehoan’ny vahoaka any ny fitiavany an-dRavalomanana Marc ireny fihetsiny ireny. Nisy ihany ireo sakantsakana nataon’ny mpitondra tamin’ny solombavambahoaka voafidy tao Toliara I tany Mananjary, sy ny vava navoakan’ny vehivavy solombavambaoaka voafidy tao Antsiranana I nihantsy adim-poko tany Antalaha. Marina fa niala tsiny noho ny teny tsy voalanjalanja nataony ity solombavambahoaka ity kanefa amin’ny toe-javatra toy izao dia tsy mitombona ilay filazana fa “mora manadino ny vahoaka Malagasy”.

Tsy tokony hadinon’izao fitondrana izao fa ny fampiasan-kery, ny fampiasana ny fitsarana ho fitaovana hamoretana ny tsy manan-tsiny, ny fanomezana baiko ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany kanefa mamoritra azy, ny tsy firaharahiana ny fahantran’ny vahoaka, ny fanakanana ny olompirenena tsy haneho hevitra malalaka, ny famotehana ny firenena eo amin’ny sehatra rehetra, ny fangalarana ny harem-pirenena, sns…dia porofo fa malemy tsy manan-kery ary tsy mahita làlan-kizorana intsony izao fitondrana izao, ka manao tsipaky ny miala aina. Araka izany dia tokony hanova fihetsika sy paikady entina miady ny fitondrana Rajoelina Andry, satria izay ataony rehetra dia mibirioka any amin’ny tsy alehany ary mifanohitra amin’ny tanjona kendreny hatrany no miseho. Hafa ny anio sy ny omaly ka tsy rehefa lazaina fa tompondaka amin’izao sehatra rehetra izao ny tena dia hitehaka ny vahoaka, manaporofo izany ny tsikera mahavaivay asetrin’ny vahoaka an’izany. Mamita-tena tokoa Rajoelina fa hoe tian’ny vahoaka izy amin’ny maha-champion azy, ny mifanohitra amin’izany no misy, satria efa fantatry ny maro ny maha-Rainilainga na Champion ny mpandainga azy, ka izay ela namitahana tokoa dia tenany no fitahiny ankehitriny.