EDITO 6 Jona – Misy kisarontsarona hatrany ny resa-bolamena

Sôh’son

Anisan’ny mahabe resaka eto amin’ny firenena sy ato anatin’izao fitondrana izao ny momba ny resaka volamena. Na io ny fitrandrahana azy any ifotony amin’ny toerana samihafa eto amin’ny Nosy, na ny fivarotana azy, indrindra ireo aman-kilao maro niondrana antsokosoko teto amin’ny firenena tao anatin’izay taona vitsivitsy izay. Nambara tamin’ireny, fa misokatra ny fanadihadiana, dia avy eo tsy re intsony ny tohiny sy ny niafaràny. Anisan’izany ilay volamena sarona tao Afrika Atsimo sy nogiazin’ny fitondrana tao mandraka ankehitriny. Toy izany koa ireo tratra tany amin’ireo nosy hafa manodidina. Misy harem-pirenena toa zary verivery fahatany eto amin’ity firenena ity, ary ny fitondrana mpitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana indraindray na matetika tsy andrenesam-peo ny momba ireny raharaha fanondranana an-tsokosoko volamena ireny. Tsy fanta-bahoaka ny antony mazava momba ireny harenany norobaina an-tsokosoko ireny, satria atao tompon-trano mihono mandrakariva izy.

Fa anisan’ny raharaha iray misarika ny sain’ny mpanara-baovao ihany koa raha ity resaka volamena ity ny fizotry ny asa natao tamin’ny volamena malagasy nalefa tany Soisa fa hoe hodiovina. Aiza ho aiza ny niafaràn’ny raharaha? Sa efa tafaverina eto ireo volamena ireo ary nahazoan’ny firenena Malagasy tombony. Natao fanambarana lehibe mihitsy mantsy tany am-piandohana nataon’ny tomponandraikitra ny amin’ny tsy maintsy handefasana ireo volamena voaangona tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara any amin’ity firenena eoropeanina ity. Hatreto aloha tsy re ny niafaràn’ny asa natao na efa vita na tsia. Maninona no tsy atao toy ny tany am-boalohany izay ny fikarakarana natao? Toe-javatra iray anisan’ny mampitombo ny elanelana sy tsy fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ny fikobokobonina raharaha mila hazavaina amin’ny vahoaka toy izany.