FETIN’NY RENY

Ao anaty tokantrano izay deraina ho tsara endrika,
Ao no ahitana RENY, miavaka sy tena mendrika.
Tsy mitandro ny hasasarany fa maneho fahavononana,
Ary izy no fanilo manazava ny ankohonana.

Na mitambatra ny rahona na mirotsaka ny orana,
Na tsaroana ho malama izany lalana hizorana,
Dia ny RENY tena mendrika no mijoro ho mpampahery,
Ka mitraka ny ankohonana fa tsy avelany ho irery!

‘Ndeha tolorana arahaba fa dia mbola notahiana,
Ianareo rehetra RENY, dia ireo faka nitsiriana.
Na ny ando avy an-danitra na ny tsiron’ito tany,
Irariana mba hanjohy sy hanaraka anareo hatrany!

DADAN’i ZINA (04-06-23)