EDITO 1 Jona – Miendrika fanesoana ny vahoaka hatrany no mitranga

Sôh’son

Miditra ny volana jona sahady isika ity, mihazakazaka ny andro sy ny volana. Mifanohitra amin’izay anefa raha ny lafiny fampandrosoana ny firenena sy ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka. Mihemotra mihitsy aza amin’ny ankapobeny, raha tsy hilaza fotsiny, ohatra, ny lafiny fampianarana indrindra ao anatin’izao fidirana amin’ny fotoam-panadinana izao.

Tsy mbola nisy sy fahita tao anatin’ireo fitondrana nifandimby tamin’ity fitondrana Rajoelina ity, raha tsy tamin’izao fitondrany izao, ny fampivesarana ny mpianatra ny vola tsy maintsy aloa amin’ny fanadinam-panjakana Cepe sy indrindra ny Bepc sy ny kojakoja ilaina ampisaina any amin’ny fanadinana. Anisan’izany, ohatra, ny fanerena ny ray aman-dreny hanome kahie ho an’ny fanjakana tomponandraikitry ny fanadinana atao vakiraoka. Mbola niseho indray koa izany fitakiana izany ao anatin’izao fotoam-panadinana andrana na “examen blanc” amin’ny Bepc izao.

Santionany iray kely izany fa miseho ny tarehin-javatra maro samihafa amin’ny toe-javatra tsy tokony hisy raha nirehaka ho babany indrindra miohatra amin’ny fitondrana rehetra teo alohany izao fitondrana Rajoelina izao. Hatrany amin’ny tobim-pahasalamana fototra avy aza no misy pitsopitsony itakiana vola amin’ny marary na ny fianakavian’ny marary, toy ny fonon-tanana ho an’ny mpiteraka, sns. Azo adika tsotra izao ny zava-misy ataon’izao fitondrana Rajoelina izao: ny tokonana aza tsy afaka ka ny rindrina no ianaran-kendry hanihana. Hadalana tsotra izao izany ary tena midika ho tsy fahaizan-javatra. Indraindray aza ny mitranga toa zary fanesoana ny vahoaka malagasy mihitsy, satria atao daholo izao fihetsiketsehana isehosehoana eto an-toerana na any ivelany rehetra izao.

Toa ataon’ireo olona eo amin’ny fitondrana, ny filohan’ny Repoblika sy ny ministra eo ambany fiadidiany ny mifofotra mitady amboara na loka, toy ny any ivelany, amin’ny zavatra izay lazaina ho tena nisy fivoarany teto amin’ny firenena noho ny asa nataon’izy ireo, kanefa tsy izany loatra no iainam-bahoaka. Misy mihitsy ny olom-pirenena mpamakafaka no milaza ny heviny momba izany, fa resaka amboamboarina izany, ary miendrika “amboara bôjy” zarazaraina fahatany, tsy mifandraika amin’ny iainan’ny vahoaka malagasy, indrindra ny sarambabem-bahoaka miady mafy andro aman’alina amin’izay hahavelona azy sisa. Maha menatra raha ianao ery, any ivelany io, mihareha amin’ny voninahitra ho toy ny môdely amin’ny fampandrosoana, kanefa ny vahoaka entinao faraidiny amin’ny samy vahoaka maneran-tany. Mahalalà menatra, fa ny lany henatra no ratsy indrindra, mahakizo fara ny firenena sy ny taranaka fara aman-dimby izany.