TOMPONDAKA MAHATSIKAIKY !

Inona no tsy nataony taminao ry tanindrazany?
Lainga no mba kilalaony, fidedahana no lazany!
Fikendrena ho tompondaka eo amin’ny sehatra rehetra,
Izay no tanjon’ilaiàka sy irosoany tsisy fetra!

Maro no manongo tena raha mijery ny hadalany.
Izy anefa tsy hay fefena fa manohy ny diany hatrany!
Tena tsy hainy ny mifehy hatramin’ny vava izay avoakany,
Ka dia maro no mihomehy fa ny azy lainga no kapoakany!

Nosalorana girady tampotampoka indray,
Ity ilay hoe mpanao haiady mahatsikaiky eto aminay!
Dia indro niaraka nirona ireo mpikatroka nasaina,
Ka « Ramano be galona » no indro tonga tao an-tsaina!

…Ho aiza ianao ry tompondaka, ho aiza re ny dianao?
Ny fieboana no tsy zaka fa manindry lava izao?
Ahiana ianao hanary lamba sy hitanjaka atsy ho atsy.
Hatramin’ny moana sy ny jamba no efa tena kivy ratsy!

TSIMIMALO (29-05-23)