Analavory Itasy – Ny 1 jolay ho avy izao ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM eto Antananarivo – Tsy mampihemotra azy ny lakrimôzena sy ny herim-pamoretana

Isambilo

Tsy nampihemotra ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM, ny lakrimôzena sy ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana sasany tamin’izy ireo, ny talata lasa teo tany Analavory distrikan’i Miarinarivo faritr’Itasy.

Toy ny fanaony niantsena tao amin’ny tsenan’Analavory aloha i Dada sy ireo mpanara-dia azy, nialohan’ny nanatrehany ny kongresim-paritry ny TIM, tao amin’ny Espace Mangabe tany an-toerana. Nandritra ny nandehanany dia an-tongotra tao an-tsena, no nirefotra ny lakrimôzena sy nahitana ny herisetra nataon’ireo mpitandro filamkinana sasany. Tsy nampihemotra ny filoha nasionalin’ny TIM sy ireo mpiara-dia aminy ary ny vahoaka anefa izany. Fa vakin’izy ireo ny sakana nataon’ireo zandary, ka tonga soa aman-tsara tany amin’ny toerana nanaovana ny kongresy ihany ny rehetra.

Niara-dia tamin’i Dada nandritra izany ny avy amin’ny birao politika, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, Jean Claude Rakotonirina ary Julien Andriamorasata, ireo depiote 9 mirahalahy avy amin’ny antoko nahitana ny depiote isany Fetra Ralambozafimbololona, Ramboasalama Emilien, Mamy Rabenirina, Alain Ratsimbazafy, Feno Ralambomanana, Gerry Randriambolaina, Jose Randrianantenaina, Michel Ambalavato ary ny depiote Rodin Rakotomanjato. Teo koa ireo ben’ny tanàna avy ao Antananarivo Atsimondrano toa an-dry Rado Ramparaoelina, Mihary Andriantsilavo,… ny ben’ny tanànan’Ambohitrabiby Pasitera Lazasoa. Ireo mpanolotsainan’ny tanàna TIM notarihan’ny filohan’ny Collectif des Elus Christian Andrianjafy ary ireo mpitarika ny antoko ao amin’ny faritra Itasy.

Nambaran’ny solontenan’ny TIM Itasy fa: ”na inona na inona sakana, efa lasan’i Dada ny fonay aty amin’ny faritra Itasy”. Nanambara kosa i Dada fa: tsy maintsy mihaona amin’ny Olom-pirenena eto Analavory aho androany. Tsy mihemotra amin’izay endrika herim-pamoretana isika. Aok’izay ny fampijaliana ny Malagasy, ny fanitsakitsahana ny Zo aman-kasina maha olona. Leo Jadona, leo herim-pamoretana, leo tampenam-bava ny vahoaka. Ny mampalahelo sy mahasosotra dia izao; ireo sasany mahatsapa ny fahorian’ny tenany, tsy mihinan-kanina fa lanin’ny olona ny indemnité-any, mamela anay mandeha, tena midera sy mankasitraka azy ireny izahay, fa olona vitsy anie sisa ireo tena mibahambahana ireo e!”

Fantatra nandritra izany ihany koa, fa kongresim-paritra miisa 12 no efa vitan’ny antoko TIM, raha tsy misy ny fiovana dia ny 1 jolay ho avy izao, no ho tanterahana eto Antananarivo ny kongresy nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara.