Miala Rajoelina – 100 andro sisa, mihazakazaka ny fotoana

Helisoa

Mihazakazaka ny fotoana, 100 andro androany sisa dia tokony hametra-pialana amin’ny maha-filoha azy ny filoha Andry Rajoelina. Izany hoe, eo amin’ny 3 volana mahery kely eo sisa dia hiala eo amin’ny fitondràna ny filoha mitantana ny firenena ankehitriny Andry Rajoelina. Manoloana izany, indrindra raha ny zavatra hita dia toa mamofom-pofona korontana no hita eto amin’ny firenena. Nisy ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany amin’ny faritra Itasy natao tao Analavory ny talata lasa teo. Tsy misy inona antony inona loatra, fa dia filohampirenena teo aloha manana ny sata manokana, no nokendrena tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso raha niditra tao anaty tsena hividy zavatra dia ny filoha Marc Ravalomanana izany.

Raha ny zavatra niseho tany antoerana dia nosakanana tsy avela hiantsena ity farany, fa hoe misy baiko hono araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana azon’izy ireo, fa tsy mahazo mandeha lalankafa fa avy hatrany dia miditra ao anatin’ny toerana hanaovana ny kongresy. Tsy nahasakana ny filoha Marc Ravalomanana anefa izany, fa avy hatrany izy dia niditra ho any antsena. Avy hatrany, hery famoretana no natao tamin’ity filoha, izay efa ray amandreny nitantana sy nahavita be teto amin’ny firenena ity.

Faharoa manaraka izany, nitaona olona hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey omaly, ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy, sy ireo andian’olona nanaraka azy tamin’izany. Miaramila, zandary ary polisy marobe miaraka amin’ny fitaovam-piadiana anefa no narentirenty teny amin’ny 13 Mey, izay mihoatra lavitra be noho ireo andian’olona hita teny antoerana. Dia eo no mampieritreritra ny olom-pirenena hoe fanjakàna inona no misy eto? Milaza fa mamim-bahoaka nefa toa zavatra bitika dia ampiasaina ireo herim-pamoretana?

Ny filoha Marc Ravalomanana dia efa nanambara ombieny ombieny, fa tsy avy aminy no hisian’ny korontana eto amin’ny firenena. Voafehiko hoy izy ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny RMDM miaraka amiko. Fifidianana izao no mahamaika anay hoy izy, hialàna amin’ity fahantrana lalina mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny ity. Eo ihany koa ny tsy fanajàna ny zon’olombelona izay efa tsy hita pesimpesenina no miseho ankehitriny.

Ka eo no mahalasa saina ny maro hoe: sao tsy vonona hanao fifidianana aza ity fitondràna ity, ka mitady korontana hisian’ny tetezamita eto amin’ny firenena? Maro ny olona ampiasaina hoy ny hafa mba hampisavorovoro ny saina; ka eo no ilaina fandinihana lalina satria ny ratsy tsy kely lalana. Ny fifidianana ihany no hahafahana mamaha olana haingana ny firenena latsaka an-katerena izao, sy ny fanilihana ireo mpitondra tsy mahomby, mpampijaly vahoaka ankehitriny ireo.