Kongresim-paritry ny TIM Boeny – Sabotsy indray mifankahita any Mahajanga

Isambilo

Ho tanterahana ny sabotsy izao any Mahajanga ny kongresim-paritry ny antoko TIM any amin’ny faritra Boeny. Sabotsy indray izany mifankahita any an-drenivohitra Boeny, taorian’ny kongresim-paritr’ity antoko ity tany Analavory faritra Itasy. Hikarakara izao Kongresy ny Tim Mahajanga izao ary efa vonona amin’izany ireo birao comité ad’hoc, vonona koa ireo tanora Tim Mahajanga, ny vehivavy Tim amin’ny faritra Boeny. Hanotrona ny hetsika koa ny RMDM Mahajanga.

Ny sabotsy 3 jona 2023 izao no hatao io hetsika io, hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Lycée Fjkm Ziona Vaovao Mahajanga. Teny filamatr’izy ireo koa ny hoe: sahia minoa, mijoroa, aza matoritory hoy izy ireo fa efa antsika lay tour. Hanatrika izany koa ny solontena avy amin’ny antoko, avy amin’ireo distrika mandrafitra ny faritra Boeny dia: Mahajanga I sy faha-II, Mitsinjo, Soalala, Marovoay, ary Ambato Boeny.