Dis-TIM Ambanja – Nanofana delegen’ny kandidà amin’ny fifidianana ho avy

Stefa

Nanamafy ny fototra tany amin’ny kaominina Antsirabe distrikan’Ambanja faritra Diana, ny mpitarika ny Dis-TIM any amin’ity distrika ity, notarihan’ny filohany Bertrand Vanimbelo, sy ny Sekretera jeneralin’ny Jeunes Tim Gaetan Soavelo. Nanao fidinana ifotony tany amin’ny kaominina Antsirabe izy ireo ny herinandro lasa teo, nanamafy ny COMTIM any amin’ity kaominina ity. Nanome toromarika ko amin’ny dingana manaraka izay tokony hatao ary nisy ihany koa ny fanofanana ho an’ny delegen’ny kandidà, mba hiarovana ny zo ny vahoaka, ka tsy ho voafitaka amin’ny fotoam-pifidianana.

Mbola namerina koa izy ireo nanentana ny Olompirenena rehetra izay efa ampy 18 taona, mba handray ny andraikitra sy hanatsara ny hoavy ny taranaka ho avy afara, fa ny filoha Ravalomanana Marc no efa vonona sy efa manana traikefa hanavotra ity firenena latsaka an-katerena ity. Hanarina ny vidin’ny lavanila izay latsaka ambany tokoa amin’izao fotoana any Ambanja, amin’ny fanpombohan’ny taom-piotazana izao, satria nijotso hatramin’ny 5000 Ar ankehitriny ny vidin’ny 1 kg ny lavanila maitso. Tena mitaraina ireo tantsaha noho izany, fa tena voa mafy tokoa izy ireo.