Fifidianana – Hafatra Pentekosta ny FFKM – Ilaina ny fifampidinihana handresena ny sakana rehetra

Isambilo

Nisy ny hafatra Pentekosta avy amin’ny filoham-piangonana 4 ao amin’ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, noho ny fahatsiarovana ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly ny alahady teo. Nitatitra izany hafatra izany ny filohan’ny FFKM, sady filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi.

Andao hiray hina dia ho velona, fa tsy hiady ka ho levona isika hoy izany hafatra izany. Hahazo hery ny rehetra rehefa hahazo ny Fanahy Masina hoy izy. Ho taom-pifidianana ity taona ity eto amintsika, raha tsy hilaza afa-tsy ny fifidianana filohampirenena hoy ny filohan’ny FFKM. Manana adidy lehibe amin’izany ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka: aloha, mandritra ary aorian’io fifidianana io.

Mivavaka koa isika hiasa am-pahamarinana ireo rehetra mikarakara fifidianana, mba tsy hiverenan’ny olana teo aloha niteraka korontana sy sahoan-dresaka samihafa. Satria ny fahamarinana no manandratra ny firenena, ny fahotana kosa dia henatra ho an’ny vahoaka. Misy ady maro samy hafa eto amintsika ankehitriny: ady amin’ny fahantrana, ady amin’ny tsy fisian’asa, ny fiakatry ny vidim-piainana. Ny olana momba ny fiainana andavanandro toy ny: solika, ny jiro, ny rano, ny sandam-bola, ny fanafody, ny fitaterana,… Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny ady amin’ny fanolanana, ny ady amin’ny fanondranana olona antsokosoko, ny ady amin’ny kolikoly, ny fakana an-keriny, ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny ady amin’ny hosoka sy ny fisolokiana, ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny harena an-kibon’ny tany, ny ady tany, ny ady politika. Noho ireo ady maro ireo, manainga ny tsirairay hiray saina ny FFKM, hifankatia, hitady vahaoalana ka hampandefitra ny hambompo, ho vahaolana amin’izao krizy mahazo ny firenena izao. Ny fahavalo iombonana dia ny fahantrana, ka homen’Andriamanitra Fanahy feno hery isika ho amin’izany. Ilaina ny fifampidinihana handresena ny sakana rehetra mialoha, mandritra ary ao aorian’ny fifidianana.

Ho an’ny mpitandro filaminana, mba tena ho tandroka aron’ny vozona izy ireo manoloana ny tsy fandriampahalemana misy, ka tena hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Nentaniny koa ny olon’ny FFKM sy ny ao anatin’ity fivondronambe ity, handray anjara mavitrika amin’ny Andrimaso FFKM eo amin’ny fiainam-pirenena. Eo amin’ireo mpanao politika, ialao ny fifampihantsiana hoy ny hafatra, nosoniavin’ireo filoham-piangonana 4 dia ny filohan’ny FJKM – filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, ny avy amin’ny FLM Pastora Dr Rakotozafy Denis, ny avy amin’ny EEM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ary ny avy amin’ny EKAR Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.