TONGA NY ORA !

Hatrany an-tranon’ny mpitondra no efa idiran-jiolahy,
Ka tena mampihoron-koditra ary efa mampanahy,
Satria tsy misy filaminana azo heverina intsony,
Fa dahalo no manjaka sy manao ny sitrapony.

Efa tena tsy mba tsaho na hoe karazana honohono,
Tsy mba vitan’ny mangalatra izy ireo fa dia mamono.
Manam-basy sy fiadiana tena hita ho arifomba,
Ary tsy olonolom-poana ireo mpiray tsikombakomba!

Noho izany tranga izany, mahatsiaro ny olo-maro
Fa tsy manana mpiahy sy tsy mba manana mpiaro.
Na an-tsaha na an-tanàna dia misentosento lalina,
Fa dahalo no manjaka na ny antoandro na ny alina!

…Iza no hanopy maso ka hanala ny mangidiny,
Fa tsy te hahalala izany iretsy olo-nofinidiny?
Tena hoe fotoana izao handavana ireo asa maizina :
Ireo mpitondra tsy mahomby, ireo no tena mila faizina.

Mivondròna handray adidy, ‘ndao hiatri-pifidianana,
Ary hiaraka manonja sady hifanolo-tanana,
Handresena ireo dahalo sy mpitondra tsisy hapoaka,
Sy ho porofo f’efa tofoka sy leo azy ny vahoaka!

TSIMIMALO (26-05-23)