EDITO 30 Mey – Mampametram-panontaniana ny fampiasana ireo vola vy

Beharo

Efa naroso teto tany aloha tany fa hafahafa ihany ny sandan’ny vola ariary eto amintsika amin’izao vanim-potoana izao, ka na ny euro (€), na ny dollar ($) sy ny vola vahiny hafa, dia hita sy tsapa fa mampihemotra antsika lavitra tokoa eo amin’ny sehatry ny ara-barotra, nefa toa tsy hita mihitsy amin’izao fitondram-panjakana Rajoelina izao izay mba ezaka na tombontsoa raha oharina amin’ireo entana sy fitaovana izay hafarana ary ireo vola izay hindramina, fa toa vao maika manimba ny fiaraha-monina sy ny tontolo toekarena sy sosialy tanteraka, miteraka kolikoly sy mampatevina ny trosantsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy.

Ny vahiny araka izany no mahita fandrosoana sy tombom-barotra raha atao indray mijery, ny vazaha efa ela no teo, ny sinoa sy karana dia mirotsaka tsikelikely ary ny hafa toy ny Egyptiana dia miezaka maka izay anjarany koa, miainga amin’ny fanamboaran-dalana sy fanomezana amboara (Trophée ) ihany koa. Tsorina, fa raha tsy mifamezivezy ireny vola 50 Ar, sy 20 Ar. ireny, dia isika samy isika ihany no mifandrora mitsilany eto raha atao indray mijery. Rehefa misy fisondrotana vidin’entana 200 Ar lasa 250 Ar ohatra, dia vatomamy no atao famerim-bola, na voatery mividy entana roa (2) ka lasa 400 Ar, nefa kely ny vola eo am-pelatanana amin’izany, ary rehefa mandeha eny amin’ny Jirama koa ohatra, raha tokony hamerina famerim-bola 50 Ar hatramin’ny 90 Ar, dia tsy misy fameriny fa lasa manatevina ny paosin’izay mpandray vola eo fotsiny.

Na ny mpivarotra na ny mpanjifa teny an-tsena samihafa teny, dia samy nilaza fa maninona raha mba ambara ofisialy mazava hatrany fa mbola miasa, manankery ireny vola 20 Ar, 50 Ar ireny, ka rehefa tsy vita vola vy, dia avadika atao taratasy, sady mora tahirizina no mba misy lanjany amin’izay fisondrotan’entana atao, no manankery ihany koa rehefa atao famerim-bola. Mazava araka izany, fa tsy misy lanjany ho antsika ny vola amin’izao fotoana, ny vola raisina isam-bolana sy ny tambin-karama na izay anjara vola tokony ho azo dia tsy mitombo, tara vao voaray, ka miteraka fitokonana mihitsy aza, nefa ny vidim-piainana tsy mitsaha-mitombo, tsy sahaza izay raisina isam-bolana, miteraka halatra, hafetsifetsena samihafa, miainga amin’ny sitrany ahay, ka mety ho tojo ny kolikoly manara-penitra mihitsy koa aza.