Fihaonamben’ny TIM Avaradrano – Fifidianana – Vonona amin’ny zava-drehetra isika hoy ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Tontosa ny sabotsy teo tao amin’ny Espace Lion d’Or Avaradrano ny fihaonamben’ny antoko TIM ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, niatrika izany ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana, ny avy amin’ny birao politika nahitana ny sekretera jenaraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM notarihan’ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM Fetra Ralambozafimbololona, sy ny depiote tompon-draharaha ny depioten’Avaradrano Gerry Randriambolaina. Teo koa ireo ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM ao Avaradrano, ireo mpanolotsaina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko notarihan’ny filohan’ny Collectif des Elus Christian Andrianjafy. Tao koa ny avy amin’ny RMDM, ireo tommpon’andraikitra TIM teo aloha: ministra sy depiote,…

Ambohipihaonan’ny rehetra tokoa teny an-toerana ny sabotsy teo io. Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izany mahakasika ny fifidianana, fa efa vonona amin’ny zava-drehetra isika, aoka tsy hifanilikilika noho izany hoy izy, fa hiray hina hatrany. ” Tsy tokony hisaratsaraka isika, haneho fiombonana. Mankasitraka anareo eto Avaradrano aho, fahombiazana tanteraka ny hetsika androany. Tsy mihemotra intsony isika, na tsy misy jiro, na simba ny lalana, na feno sakantsakana. Hanangana Firenena vanona izay manana Olom-pirenena voahaja ny Zo aman-kasiny isika. Antsika i Madagasikara, manana adidy sy andraikitra aminy sy amin’ny taranaka any aoriana isika izao. Fifidianana ihany, amin’ity taona 2023 ity”.

Nisongadina ihany koa nandritra izao fihaonambe izao fa nampiditra ny vahoaka sy ny firenena ao anaty trano maizina ny nataon’ny mpitondra, fa tsy misy n’inona n’inona hainy. Noho izany, na ho vy na ho vato tsy mijanona isika raha tsy azontsika amin’ny fahamarinana ny fandresena, hanafahana ny vahoaka amin’izao fijaliana izao. Ankoatra izany, manantena ny filoha Marc Ravalomanana ho Kandida koa Avaradrano, amin’ny fifidianana filohampirenena hatao amin’ity taona ity io ary vonona hampandresy azy amin’izany fifidianana izany.