NY LALAON’NY NOSY

Hatreto tsisy mba manjary ireo rehetra fanomanana,
Fa mandeha ny petatoko sy ny tefitefy maika;
Tsy mitsahatra mipoitra ireo karazana havendranana,
Ary lasa fihomehezana ireo tetikady sy ny paika!

Hatramin’ny hira horedonina no indro fa tsizarizary.
(Tena tsy afaka hilahatra amin’ireo nataon-dry Dama!)
Izay mba sary famantarana dia tsy tena lavorary,
Fa mibahana ny « bizina » ary koa ny « akamakama »!

Ireo taranja hifaninanana, maromaro no najanona,
Noho ny toeram-pilalaovana hita fa tsy dia mirindra.
Raha fehezina dia tsotra: tena tsisy zava-banona,
Fa kitoatoa hatrany, izay no lehibe indrindra!

…Ny ao anaty fitondrana dia mirehaka aok’izany
Fa tsy hisy toy izao raha mbola hoe lalaon’ny nosy.
Angamba tampina ny masony na tsy ampy ny fahalalany
Ka ataony ho iray ihany na ny ondry na ny osy!

DADAN’i ZINA (24-05-23)