TIM Maroantsetra – Manentana mahakasika ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana koa

Stefa

Manentana mahakasika ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana ihany koa ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), any amin’ny distrikan’i Maroantsetra faritra Analanjirofo. Miara-misalahy amin’izany ny mpitarika ny antoko any an-toerana sy ny Tanora TIM MAROANTSETRA. Manentana hatrany ireo mponina any an-toerana izy ireo, mba hijery ny anarany ao anaty lisi-pifidianana.

Raha tsy ao anaty lisitra dia mbola fotoana izao, hoy ireo Tanora Tim MAROANTSETRA ireto hisoratana anarana. Mitety fokontany izy ireo amin’izany manentana ireo mponina hiditra ao anaty lisi-pifidianana sy hanamarina ny anarany. Kely sisa hoy izy ireo ny fotoana, fa raha tsy voasoratra ny anaranao dia tsy afaka haneho ny safidy amin’ny olona hitondra ny firenena, hanavotra azy latsaka andavaka isika.