Foloalindahy – Feno 100 taona katroka androany ny SEMIPI Fianarantsoa

Isambilo

Feno 100 taona katroka androany 25 mey 2023 ny Sekoly Miaramilam-pirenena, na ny SEMIPI ao Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony. Mankalaza izany ny Sekoly sy ny Fikambanan’ireo Maintimolalin’ny Sekoly nanomboka ny alatsinainy 22 ka hatramin’ny rahampitso zoma 26 mey, araky ny fandaham-potoana voafaritra omanin’ny Ambaratongan-pitantanana sy ny Vaomiera tompon’andraikitra.

Ity Sekoly miaramila ity dia manabe sy manomana tanora ho olom-banona hanompo Firenena anatin’ny safidy miaramila; misy ny nanomboka izany mbola kely ny kilasy faha-6, misy ihany koa ny niditra efa somary tanora.

“Fahaizana – Fahendrena – Fandresena” no tarigetran’ny Sekoly. Efa maro ireo Andiany nobeazina sy nandranto fianarana tao. Ny Sekoly dia eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena.

Niorina tao amin’ny Toby miaramila Betongolo Antananarivo ny SE.MI.PI ny taona (1923-1925), Toby izay nolovain’ny Zandarimaria eo Betongolo ankehitriny ; ary ihany koa ny taona 1944-1964 dia tao amin’ny Toby tao Tsaramandroso Fianarantsoa, izay nodimbiasan’ny Zandarimaria nasionaly taty aoriana. Ao Beravina no misy ny SEMIPI amin’izao fotoana.

Manamboninahitra Jeneraly zandary, Manamboninahitra Tompon’andraikitra ambony ara-panjakana, sy ara-miaramila zandary maro eto amin’ny Firenena no nivoaka avy tao amin’ity Sekoly ity.