4 andro mialohan’ny Pentekôty – Manonga ny vidin’ny atody

Aly

4 andro mialohan’ny Pentekôty, na ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo Apostoly, manonga ny vidin’ny atody eto Antananarivco sy ny manodidina amin’izao fotoana. Tafakatra hatramin’ny 700Ar ankehitriny izany vidin’ny atody izany, raha 400 ka hatramin’ny 500Ar eo teo aloha teo.

Noho izay antony izay, hatairana no nahitan’ny mpividy atody amin’ny fiakaram-bidy hitany raha ny eto Antananarivo tamin’ity voalohan’ ny herinandro ity. Tafakatra 700Ar ny vidin’ny iray lehibebe amin’ ny toeram-pivarotana sasany, raha 650Ar ny kelikely.

Maro no mila atody amin’ny ankatoky ny andro fety toy izao, hanaovana sakafo isan-karazany, be ny tinady, mahatonga io fisongan’ny vidiny io.