Sambany tamin’ny tantaran’ny Antenimierampirenena – Tsy nisy ny ady hevitra teo amin’ny Praiministra sy ireo depiote

Isambilo

Mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena manomboka ny volana mey toy izao, ao anatin’ny fandaharam-potoana hatrany ny fanaovan’ny governemanta tatitra ny asa vitany manoloana ny fahefana mpana lalàna, fihaonana mivantana eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Sambany anefa tamin’ity indray mitoraka ity, tsy nisy ny ady hevitra teo amin’ny Praiministra, ny Praiministra Ntsay Christian sy ireo depioten’i Madagasikara. Ny antony, rehefa avy nanao tatitra ny Praiministra Ntsay Christian dia niroso tamin’ny tsanga-tànana ireo solombavambahoaka, ka lany tamin’ny tsanga-tànana tao amin’ny Antenimierampirenena, fa tsy hisy ny adi-hevitra eo amin’ny Praiministra sy ireo depiote.

Araka ny andininy faha-101 sy faha-102 ao amin’ny lalam-panorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara anefa dia tokony hisy fametrahana fanontaniana avy amin’ny Parlemanta ho an’ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary ny famalian’ireto farany izany, farafahakeliny isaky ny 15 andro mandritra ny fivoriana ara-potoana sy/na tsy ara-potoana ihany koa. Izany hoe raha 60 andro ny fivoriana ara-potoana dia tokony hisy fihaonana 4 farahafakeliny anaty fivoriana ara-potoana.