Navotsotra i Fanirisoa sy Marco – Tsy mitombina ny fiampangan-dry Rajoelina azy ho terrôrista

Ny Valosoa

Rehefa nantsoina tany amin’ny polisy tany Frantsa i Fanirisoa Ernaivo sy Marco Randrianisa afak’omaly, malagasy monina any Frantsa (diaspora) ary anisan’ny mpanakiana mafy ny fitondrana Rajoelina, dia navotsotra tamin’io andro io ihany, satria tsy mitombina ny fiampangan-dry Rajoelina azy ireo ho mpampihorohoro na terrôrista.

Araka ny tatitra nataon’i Fanirisoa rehefa avy tany amin’ny Polisy Frantsay : « nosamborina ny maraina vao mangiran-dratsy izaho ary nentina natao Garde à vue tany Paris, ary dia nosamborina koa i Marco Randrianisa tany an-tranony ka samy voatazona tany amin’ny Police izahay mianadahy. Rehefa natao ny enquête, dia voatery navotsotra fa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny Fitondrana Rajoelina anay. Nody soa amantsara avy eo. Zany no tany misy lalana aminy! Fa tsy toy ny any Madagasikara voatsindrin’ny mpitondra ny mpitandro filaminana sy ny mpitsara ».

Raha araka ny vaovao azo ihany dia i Patrick Rajoelina sy Andry Rajoelina no mpitory, satria voalaza fa hitsidika any ny Filoha, ka matahotra ny hetsika hataon’ny diaspora any an-toerana izy ireo, dia nitory ireo anisan’ny mpitarika ny Malagasy mpanohitra any ivelany.