Governemanta Amerikana – Manampy ny miaramila hianatra ny teny Anglisy

Aly

Manampy ny miaramila hianatra teny Anglisy ny governemanta Amerikana. Teny fampiasan’ny miaramila maneran-tany ifandraisana ny teny anglisy. Manamora ny fandraisan’anjaran’ny miaramila Malagasy amin’ireo fiofanana izay vatsian’ny governemanta amerikana vola ny fianarana teny anglisy ary manamafy ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy ny faritra manodidina. Manana anjara toerana lehibe ny foibe fianarana teny anglisy eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, izay vatsian’ny Departemantan’ny Fiarovana Amerikana vola, amin’ny fanofanana ireo miaramila Malagasy handray anjara amin’ireo hetsika iraisam-pirenena.

Anisan’ireo nanatrika ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo miaramila Malagasy 41, izay nanaraka fiofanana teny anglisy tamin’ny 22 mey teo ny tompon’andraikitra misahana ny fiarovana sy ny fifandraisana ara-miaramila ao anivon’ny Masoivoho Amerikana, ny Komandà Jorge Garcia. Niaraka nanolotra ireo mari-pahaizana ny Komandà Garcia sy ny Minisitry ny Firovam-pirenena, ny Jeneraly Josoa Rakotoarijaona, ary samy nankasitraka ireo zokiolona sy mpampianatra teny anglisy izay fototr’izao fahombiazana izao.

Nanomboka tamin’ny taona 1995 ny fampianarana teny anglisy teo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenana ary manamafy orina ny fifandraisana ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy Etazonia. Manamora ny fandraisan’anjaran’ny miaramila Malagasy amin’ireo hetsika sy fiofanana, izay tohanan’ny governemanta amerikana ary tohanan’ny tahirim-bola International Military Education & Training (IMET) ny fiofanana. Mitentina 4 000 000 dolara ny vola natokan’i Etazoina hanampiana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ireo fiofanana IMET hatramin’ny taona 2017 ary mihoatra ny 10 500 000 dolara ireo tetikasa fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana.