Miala Rajoelina – Mikororosy fahana tsy nisy toy izao ny fiainam-pirenena

Andry Tsiavalona

Misafotofoto sy mihodinkodina ary mikororosy fahana tsy mbola nisy toy izao ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra. Nieboebo anefa Rajoelina Andry tamin’ny vao nandray fitondrana, fa ho vitainy ao anatin’ny dimy taona izay tsy vitan’ny mpitondra rehetra nifandimby tao anatin’ny enimpolo taona. Nametraka fanontaniana tamin’ireo « vahoaka » nanatrika ny kabariny tao amin’ny Kianjan’ny Fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina izy tamin’izany fotoana izany. Mandry fahalemana ve ny vahoaka Malagasy? Ampy ve ny Oniversite eto Madagasikara? Mahavelona ve ny karaman’ny mpiasa? Manana asa ve ny tanora? Mahafa-po ve ny famatsiana rano sy jiro omen’ny Jirama? Afaka mitsabo tena daholo ve ny mponina rehetra? Mazava ho azy fa namely hoe: “Tsia!” avokoa ny rehetra.

Velom-bolo sy nanantena fiovàna ny vahoaka Malagasy satria sady tanora no mavitrika ny filohan’ny Repoblika. Nanampy tosika ny nanambarany fa “hiova daholo ireo rehetra ireo ao anatin’ny dimy taona hitondrany”. Mandia ny làlana mahitsy farany (dernière ligne droite) izao fitondrana izao ka azo atao ny manombana ny « fiovàna » azo tsapain-tànana sy hitan’ny maso. Mitombo roa na avo telo heny ny karazana asan-jiolahy, ary maro karazany fomba anatanterahan’ny olon-dratsy ny fanafihana ataony. Tsy voafehin’ny mpitandro filaminana ny halatr’omby na dia notanisain-dRajoelina Andry aza ireo fitaovana hoentina miady amin’izany: “puce” hapetaka amin’ny omby, hividy angidimby, sns,…kanefa tsy fantatra na tsy nisy orinasa afaka namorona “puce” azo atao amin’izany, na tsy misy zanabolana (satellite) azo hitiliana ny làlana itondran’ny dahalo ny omby angalariny. Na dia efa amin’arivony maro aza ny mpitandro ny filaminana mivangongo an-tanàn-dehibe dia tsy mahasakana ny vaki-trano sy ny fanafihana ny mpivarotra fahana, “cash point” sy famakiana trano tsotra sy trano fivarotana, ary manao ny ataony ny mpanao sinto-mahery sy mpanendaka, tsy andro tsy alina.

Raha ny resaka fampianarana no asian-teny dia mikororosy fahana ny haavo lentan’ny mari-pahaizan’ny ankizy Malagasy, ary nihena isan-taona ny tafiditra an-tsekoly, noho ny tsy fahampiana ara-bolan’ny ray aman-dreny eo amin’ny sara-pisoratana sy fanefana ny saram-pianarana. Ny eny amin’ny ambaratonga ambony dia tsy azo lavina fa nanangana Oniversite any amin’ny Faritra ny fitondrana, saingy sahirana eo amin’ny fandoavana “bourses”-ny mpianatra sy ny karaman’ny mpandraharaha ara-teknika sy ara-pitantanana (personnel administratif et technique) ary ny tambin-karamam-pikarohanan’ny mpampianatra mpikaroka. Tsy vitan’izany fa na ny “vacation” ho an’ny mpampianatra mpiandry sy mpitsara fanadinana aza dia tsy voaloa nandritra ny taona maro. Iaraha-mahita fa raha tsy misy ny fitokonana izay indraindray aza dia niafara tamin’ny fisamborana na fitifirana izany.

Noho ny fisondrotry ny vidim-piainana tsy misy fitsaharana dia tsy mahavelona intsony ny karaman’ny mpiasa, ho an’izay mbola manana asa ivelomana. Nasondrotry ny fitondrana Rajoelina Andry ho dimy alina sy roa hetsy ny karama farany ambany ho an’ny mpiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina, kanefa dia tsy tonga amin’izany amin’izao efa ho enim-bolana mahery aza no nampanantenana izany. Nilaza hamorona asa ho an’ny tanora, hono, Rajoelina Andry kanefa dia ny manana asa aza amin’izao fotoana izao dia namoy izany noho ny fahasahiranan’ny orinasa niasany. Ahilika amin’ny lafiny ara-teknika sy ny tsy fahampian’ny solika ny fahatapahan-jiro, izay arahin’ny fahatapahan’ny rano isan’andro ka mikaikaika ny mponina, kanefa dia mitombo isan-taona ny “subvention” omena ny Jirama. Tsy misy fitsaharany ny fanakianana ataon’ny mpiray antoka ara-teknika sy ara-bola (Partenaire technique et Financier) amin’ny tokony hitsaharan’izany.

Natsangana ireo lazaina fa hopitaly manara-penitra ary nambaran’ny filohan’ny Repoblika, fa maimaimpoana ny fitsaboana eo anivon’izy ireny. Tsy niteny izany, hono, izy ary dia iaraha-miaina fa na dia any amin’ireo hopitalim-panjakana teo aloha aza dia raha tsy manam-bola ny marary mandeha any dia miveri-maina. Santionany ihany ireo ary eo amin’ny lafiny sosialy ihany kanefa ampy ilazana fa tena havanana eo amin’ny lafiny serasera mampatory mitsangana ny fitondrana Rajoelina Andry, noho izany dia tsy maintsy fohazina amin’ny torimaso ny Malagasy ary tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hoentina mitsabo ny aretina rehetra mihàtra amin’ny Firenena, sy mifantina ny olona manana ny fahaizana sy ny traikefa ary ny fanahin’ny fahamarinana, hanavotana ny firenena alentik’i Rajoelina sy ny forongony anaty lavaka izao.