EDITO 25 Mey – Fifamoivoizana – Lalambe migodana mampitsingidina hoy ny any Anjozorobe sy ny RN3 iny

Beharo

Lalambe migodana, mampitsingidina hoy ny any Anjozorobe sy ny RN3 iny. Ao anaty fahasahiranana tanteraka ny rehetra matoa miantsoantso etsy sy eroa fa tsy laharam-pahamehana io làlambe migodana io, ary samy mahatsapa fa fandrosoana mankany amin’ny fahantrana mihitsy no misy amin’izao fotoana izao, nefa dia toa mampiravoravo ny ekipan-dRajoelina tanteraka. Ny làlambe migodana, dia efa manorisory ny vahoaka manontolo mihitsy, mbola tsy sahaza ny ankamaroan’ny mpiara-belona, ary vao niandoha ny asa fanamboarana dia efa nanorisory ny rehetra sahady, satria fety aman-danonana goavana no efa natao nefa làlana 80km fotsiny ihany no hatao raha ho vita. Tsy hita soritra mazava na nanaovana fandalinana mazava, fa toa kitoatoa hatrany miaraka amin’ireo egyptiana miantoka ny asa fanamboarana.

Ny vola vidin-tany toa resa-be fotsiny ihany, ny faritra izay ilaina tsy mazava tanteraka, simba ny tanimbary, nefa toa misy fiatoana kely indray aza ny asa. Tsorina koa fa vao niala avy aty an-drenivohitra ny asa fanamboarana, fa tsy tany Toamasina dia efa tsapa fa gaboraraka sy kitoatoa tanteraka, vonjy tavanandro, noho ireo entana sy fitaovana alaina any amin’ny Port-n’i Toamasina nefa dia hakarina aty an-drenivohitra, lasa mivezivezy. Tsy vitsy koa ireo nilaza fa: tsy mbola misy tanàna na anaran-tanàna mifanaraka amin’izany làlambe migodana izany, tsy misy fokontany na distrika voasoratra araka izany toy ny hita any amin’ny RN2 ohatra, nefa amin’izy ireny no misy ny entana na vokatra azo antoka mila fitaterana malaky, very ireo tanàna matanjaka amin’izany: Brickaville, Moramanga, Mandraka sy ireo izay mipaka amin’ny ilany atsinanana iny…

Hita sy tsapa fa ireo mpanambola, ireo te-hifanenjika amin’ny fiarakodia sy moto no hahazo vahana, nefa mety hitera-doza ihany raha fiarabe mpitatitra entana sy mpitatitra mpandeha no tsy voafehy amin’izany. Mazava ho azy fa làlam-baovao io, nefa na ny anaran-tanàna na ireo tobim-piantsonana, na ireo biraon’ny mpitandro filaminana, ny vokatra tian-ko taterina sy ny sisa, dia mbola any an-kibon’ny omby avokoa, ka tsy aleo ve mba ny RN2 tanteraka aloha no vonjena maika ny fanarenana azy, dia manohy miadana ny asa fa tsy atao fanambatambazana sy famikiran-tseza manara-penitra izao hatrany.