NY MPITONDRA SY NY BEBASY

Tena mihorohoro fatratra noho ny seza mihozongozona,
Ka nampiana indray ny tandroka hiarovana ny vozona?
Nefa ireo izay efa eo dia maro no tsy misy hapoaka,
Fa ny ataony aza matetika dia mandripaka vahoaka?

Iretsy « zazavao » nantsoina, efa omanina avy hatrany
F’efa tsinjotsinjo angaha hoe tsy hilamina ny tany,
Ka aorian’ny fifidianana, izy ireo no akaikezina,
Fa mandindona tokoa ny fianjerana miezinezina?

Maro tamin’ireo anefa no hita ho nivaralila,
Tena nanaratsy endrika izany atao hoe miaramila,
Fa dia tazana mameno irony toeram-pimamoana,
Ary avy eo manangana ady sy miteniteny foana.

Miaramila manahoana ilay hoe « ho an’ny tanindrazana »?
Tsy bebasy hiaro indray ireo efa tsisy fahombiazana,
Fa hijery ireo vahoaka mila vonjy sy fiarovana,
Noho ny ataon’ireo nandentika any anaty fahalovana!

IRINA HO TAFITA (20-05-23)