Ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado – Nitanila ny agent AGENT RECENSEUR » mpanisa mpifidy ao Ampitatafika

Franck Razakambelo

Natsahatra tamin’ny asany avokoa ny vaomiera misahana ny fanisana ny mpifidy « Agent recenseur » miisa 7, ao anivon’ny Fokontany tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano, hoy Ramparaoelina Rado Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, satria manana firehan-kevitra politika miandany amin’ny fitondram-panjakana, nandritra ny asa fanavaozana ny lisitry ny mpifidy teny an-toerana.

Nanohy fanazavana ity olom-boafidy ity, fa nahatratra 40% ny tahan’ny olona tsy tafiditra tao anatin’ ny lisi-pifidianana teny anivon’ny Kaominina Ampitatafika nandritra ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, satria tsy nampidirin’ireo « Agent recenseur » ireo, tao anatin’ny lisitry ny mpifidy avokoa ireo tokantrano na olona manana firehana hafa tsy mifanaraka amin’ny fitondram-panjakana.

Nanohy fanazavana ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika, fa ny fahatahorana an’ireo tokantrano ireo tsy hanohana ny filoha Andry Rajoelina mandritra ny fifidianana filoham-pirenena no antony tsy nandraisana ny anaran’ny olona ary misy ihany koa ny tsindry avy amin’ny fitondrana foibe izay tsy maintsy nankatoavin’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa fanisana.

Nanamafy Ramparaoelina Rado, fa tokony hiditra an-tsehatra amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny mpiandraikitra eo anivon’ny Kaominina sy ny Fokontany, mba ho fanatsarana ny asa sy hialana amin’ny fandaniam-bola ary tokony hatao petan-drindrina ny lisi-pifidianana raikitra, mba hanamorana ny fandrindrana sy ny fanarahamaso mandritra ny zotram-pifidianana.

Nanambara ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika, fa diso ny filazana fa tsy manao politika ny Distrika sy ny Delegem-panjakana mandritra ny raharaham-pifidianana, satria mandray toromarika avy amin’ny Ministera mpiahy ireto farany, amin’ny fampandaniana ny kandidam-panjakana mandritra ny fifidianana, izay hatao eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Tsiahivina fa miisa 17 ireo « Agents recenseurs » nalefa teny anivon’ny Fokontany miisa 17 eo anivon’ny Kaominina nandritra an’ity asa fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ity, ka tsy maintsy naato ny 7 amin’izy ireo, satria niharihary be ny fitongilanana politikany.