EDITO 23 Mey – Fiainam-pirenena – Tandrevaka manara-penitra ny filaminam-bahoaka

Beharo

Hita ho tena tandrevaka tokoa ny filaminam-bahoaka eto amintsika amin’izao fotoana. Vao nahare ny maro fa nisy namaky ny tranon’ny filohan’ny Antenimierampirenena, dia tsy vitsy ireo nilaza fa tandrevaka avokoa no anton’izany eo amin’ny sehatry ny filaminana sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Trano tsara fiambenana ve dia lasa tsizarizary hoy ny fanontaniana marobe voaray? sady vao tsy ela akory no namoaka andian’ny mpiambina vita fiofanana ny polisy sy ny tafika nefa dia tandrevaka hatrany no misy, sa mody atao toy izany, ka rehefa tonga ny propagandy, vao atao metimety, fanambatambazana sy havoaka daholo indray.

Tsorina, fa nanomboka tamin’ny alakamisy Andro Fiakarana teo iny, dia tsy hita izay polisy nahafa-po mba nanao ny asany teny an-dàlana teny, bangabanga ny teny Ampasampito, Ambanidia, Ankorahotra… mipaka mianavaratra iny sy ny mihazo an’Atsimondrano rehetra iny koa, toy izany koa ny teny Nanisana sy Analamahitsy, niverin-dalana ny fiara fitaterana sasany fa tsy nahandry intsony ny fitohanana antsasakadiny isaky ny mijanona. Ny zoma sy sabotsy iny ihany koa, dia nisy trano may teny Analamahitsy, nisy mpitaingina bisikileta voahitsaky ny kamiao teny Ambohitrarahaba ary ny alahady dia hipoka mpivavaka teny Antsonjombe, tsentsina ny làlana, naneno avokoa ny fanairana (klaxon ) mankadilo sofina, fiara maty tsy tambo isaina, nefa dia tsy afaka manao na inona na inona, ny polisy efa vitsy rahateo. Nanampy trotraka izany ny delestazy lavareny eto an-drenivohitra tsy misy farany ity, lasa mahazo aina indray ny mpanao asa ratsy, ka mahatonga ny rehetra hilaza fa tandrevaka manara-penitra io.

Raha misy ve ny zava-tsarotra toy ireny amin’ny fitaterana, dia aiza? amin’ny firy hatramin’ny firy? inona no mety sy mahomby? raha te-hamonjy izany teleferika izany nefa ny làlana aza ety ambany mihitsoka, moa tsy ny mponina eny Ambatobe hatrany no mahazo tombony, fa mba aiza no hialana eny raha hamonjy ny eny Nanisana, Andrononobe, sy ny manodidina ohatra? aiza ho aiza ny andraikitra raisin’ny mpitandro filaminana amin’izay fotoana izay?