MBOLA MENDRIKA HITONDRA ?

Mbola mendrika hitondra ve ny olona toy ireny
Na dia hita fa tsy marina amin’ny asa sy ny teny?
Ny mandainga no talenta tena manavanana azy.
Fako hatrany ho angoniny dia ataony anaty vazy!

Mbola mendrika hitondra ve ny olona toy ireny
Nefa hita ho tena ambany raha ny tombam-pahendreny?
Azo ambara tsotra angamba, sy tenenina mivantana
Fa tsy ananany mihitsy ny fahaizana mitantana!

Mbola mendrika hitondra ve ny olona toy ireny?
Tsy ny tsara no mibahana fa ny lainga sy hafetseny!
Raha ireny no hanohy, tsy hisy firenena vanona,
Fa ny mety, tsotra ihany, tsara ho azy ny mijanona.

Mbola mendrika hitondra ve ny olona toy ireny
Nefa hita tsotr’izao fa henatry ny fireneny?
Tsara ho azy ny misitrika ary manakombom-bava.
Tsy mpanangana izy mantsy fa sokajin’ny mpandrava!

DADAN’i RIANA (17-05-23)