Depiote Todisoa – Manampy amin’ny fanamboaran-dalana ao amin’ny Boriboritany faha-6

Stefa

Na tsy mpanao lalana fa mpanao lalàna aza ny depioten’i Madagasikara, manampy amin’ny fanamboaran-dalana ao amin’ny Boriboritany faha-6 nahavoafidy azy, ny depiote Todisoa Andriamampandry.

Nambarany fa: “mitohy hatrany ny asa: lalana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar). Lalana rarivato mirefy 1km no natao teto. Nisy ny fidinana ifotony niaraka tamin’ireo fokonolona nanara-maso ny asa. Marihina fa efa fampanantenana nomena tamin’ny vahoaka moa ny fanamboarana an’ito lalana ito. Mbola ho avy ny an’ny fokontany hafa fa aza manahy. Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy,” hoy ity olom-boafidin’ny antoko TIM ity, ao Ambohimanarina.