Vehivavy TIM Analamanga – Fahombiazana ny Sakafom-piraisana nanamafisana firaisankina

Ny Valosoa

Fahombiazana ny sakafom-piraisana nanamafisana ny firaisankina ho an’ny Vehivavy TIM Analamanga ny faran’ny herinandro teo. Tontosa ny sabotsy teo ny sakafom-piraisana nokarakarain’ny vehivavy TIM Analamanga tao amin’ny Espace Dera Ampasanimalo. Feno hipoka ny trano nanatanterahana izao hetsika izao.

Marihina fa hetsika fitadiavam-bola ho entina manatanteraka ny asa no natao tamin’io fotoana io araka ny fanambaràna nataon’ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa. Kanefa ny tena maha-zavadehibe izao hetsika natao izao hoy izy dia natao izany mba hampiray hatrany ny rehetra, sy ny hisian’ny fivondronana manoloana ny tolona miandry dia ny fifidianana hatao amin’ity taona 2023 ity. Ho taom-pandresena ho antsika ity taona ity hoy izy nandritra izany.

Araka izany dia vory lanona ireo vehivavy TIM Analamanga. Nanotrona azy ireo tamin’izany ny solontenan’ny birao politika nasionaly: nahitana ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, sy ny mpikambana amin’ny birao politika Julien Andriamorasata; ny solombavambahoaka isany Fetra Ralambozafimbololona sy Feno Ralambomanana; teo koa ny depiote teo aloha Voahangy Raharimanarivo sy Clarisse Razaiarimanana, ny ben’ny tanàna Mihary Andriantsilavo, ireo mpanolotsaina marobe voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), notarihan’ny filohan’ny Collectif des Elus: ny mpanolotsaina Christian Andrianjafy, sy ireo olona marobe tonga tao mpanohana mavitrika ny filoha Marc Ravalomanana. Nalai-nisaraka ny rehetra tamin’io fotoana io, ny masoandro nilentika no nampalahelo.