Rodoben’ny mpanohitra RMDM – Mitaky ny mpitondra hamoaka ny datim-pifidianana

Isambilo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny alarobia teo ny avy amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, nahitana ny sekretera jeneraly Ramalason Olga, ny filoha lefitra nasionaly avy any Toliara Pasitera Edouard Tsarahame, ny filohan’ny antoko Teza Rakotoamboa Jean Louis, ny senatera teo aloha Jafetra,… Nisongadina tamin’izany fa ny fifidianana ihany hoy izy ireo no hahafahana miala amin’izao tsy fahaizan’ny mpitondra amin’izao fitondrana Rajoelina izao. Nilaza ihany koa ny RMDM fa misavorovoro ny raharaha politika eto Madagasikara ankehitriny ary misy ireo antoko izay mikatsaka ny hampisavorovoro ny fiainan’ny vahoaka.

Raha dinihana ny bilan na tombana ny asa vitan’izao fitondrana izao dia hita fa tsy nahomby ary nampahantra ny firenena. Mahantra tanteraka ny vahoaka Malagasy ary potika tanteraka ny firenena, ka azo itarafana izany ny zavamisy manerana ny Nosy. Bankiropitra ny fanjakàna, potika ny ankamaroan’ny lalana, maro ireo seha-pihariana ara-toekarena no potika, latsaka andavaka tanteraka ny firenena. Eo anoloan’izany rehetra izany dia efa madiva ho tapitra ny fe-potoana hitondran’ny mpitondra, kanefa dia hita ho mitady ny hevitra rehetra mbola hijanonana eo amin’ny fitondrana izy ireo, izay tsy ekena intsony hoy ny RMDM, rehefa tapitra ny fotoam-piasana araka ny voalazan’ny lalampanorenana dia tokony hiala, ho amin’ny firosoana amin’ny fifidianana. Tsy misy ny ady teto ary tsy misy ny korontana, fa ny mandat ny filoha no ho tapitra kanefa dia voizina indray fa tokony hanaovana tetezamita. Ny fanjakana Repoblikanina rehefa tapitra ny mandat dia tsy maintsy hatao ny fifidianana, fa tsy ekena izany tetezamita izany. Na inona iantsoana izany tetezamita izany dia fizarana seza fotsiny no antony, fa tsy mitondra soa ho an’ny firenena. Tsy mbola misy tetezamita nitondra vahaolana ho an’ny firenena teto hatramin’izay. Ny tadiavin’ny vahoaka amin’izao dia ny hanaovana fifidianana madio sy malalaka ary marina, fa tsy tetezamita. Ny takiana amin’ny mpitondra dia ny hamoahana ny daty marina hanaovana ny fifidianana, fa tsy fampisavorovoroana ny saim-bahoaka.

Ny RMDM dia tsy manaiky ny hidirana amin’izany tetezamita izany ary mitaky ny hirosoana amin’ny fifidianana marina. Takiana ny hanamboarana haingana, sy ny hanaovana audit an’io lisi-pifidianana izay hita fa tsy vita ara-dalàna io. Takiana ihany koa ny hanamboarana ny CENI, mba ho tena mahaleotena ary tsy mitanila amin’ny mpitondra ireo mpikambana ao. Takiana ny hanamboarana ny HCC, mba ho tena tsy mitanila na mandray baiko avy amin’ny mpitondra. Hita mantsy ireo fanitsakitsahina ny lalàmpanorenena ataon’ny mpitondra kanefa toa mijery fotsiny ny HCC. Ireo rehetra izay milaza ho tia tanindrazana dia tokony hitaky ny fikarakarana fifidianana marina, tsy mitanila, ary madio sy eken’ny rehetra.