Fikaonandoham-pirenena eny ifotony – Miantso ny fitondrana hamoaka tetiandro ny Vondrona G5

Helisoa

Nanatanteraka dinika mikaton-trano tao amin’ny Hotel Astauria Antanimena ny Vondrona G5 omaly tontolon’ny andro, mahakasika ny raharahampirenena. Tsapan’izy ireo araka ny fanambaràna, fa tafiditra ao anaty fahantrana lalina ny firenena. Manoloana izany dia nisy ny fehin-kevitry ny mpizaika taorian’ny dinika natao. Hita tao anatin’izany ny antoko politika; sendika, fiarahamonim-pirenena, fikambanana ary olon-tsotra. Resy lahatra ireo mpizaika araka ny tatitra nataon’izy ireo, fa tsy maintsy tanterahina eto amin’ny firenena ny fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara miainga avy eny ifotony, handinihana sy hitadiavana vahaolana handaminana ny firenena ary izany dia tsy maintsy atao mialohan’ny fifidianana. Miantso ny fitondrana izy ireo hamoaka ny tetiandro momba izany. Manaraka izany, hajoro ny komity manokana hikarakara ny fikaonandoham-pirenena miainga avy eny ifotony: ahitàna ny mpitondra fanjakàna, vondrona sy antoko politika, ray amandreny am-panahy sy ara-drazana, sendika, fikambanana sns…

Manoloana izany dia mitaky ny G5 sy ny vondron-kery rehetra nivory, mba handraisan’ny fanjakàna andraikitra eo amin’ny famoahana tetiandro hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena io. Manome fe-potoana 15 andro nanomboka omaly 19 mey ny mpizaika rehetra hamaliany ny fitakiana. Etsy andaniny dia hampahafantatra ny vahoaka sy ny vondrona iraisam-pirenena, ireo fanitsakitsahana miverimberina ny lalampanorenana sy didy aman-dalàna ataon’ny mpitondra ny G5, eo koa ny momba ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona misy eto amintsika. Miantso ny foloalindahy koa izy ireo handray andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena. Raha sanatria tsy manolotra tetiandro, hanatanterahana fikaonandoham-pirenena miainga eny ifotony ny fitondrana dia voatery hidina an-dalambe ny Vondrona G5.