Resaka tetezamita : nisy nangala-tsonia – Tsy marina ny filazana fa nifanaraka Ravalo sy Rajao

Isambilo

Mahakasika ny fiketrehan’ny sasany tetezamita, tonga hatramin’ny hala-tsonia mihitsy izany. Nivoaka amin’ny fahanginana noho izany ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, izay mitsipaka tanteraka ny taratasy navoaka tamin’ny tambazotran-tserasera facebook, nampiseho fa nisy fifanarahana teo amin’ireo filoha mirahalahy mianaka ireo, momba izany “gouvernement de transition” izany. Tsy marina izany taratasy natao izany fa hosoka, nisy nangalatra ny sonian’ny filoha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina tamin’izany. Noho izay antony izay, hitory eny anivon’ny sampan-draharahan’ny heloka an’habaka na cybercriminalité Ravalo sy Rajao, amin’ny alalan’ireo mpomba azy avy.

Nisy ihany koa ny fanambarana nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina mahakasika izay: “tsy azo ekena ny fanelezana vao vao diso sy tsy mitombina izay manakorontana saim-bahoaka sy manohintohina ny fitoniana eto amin’ny firenena. Misy olona miezaka manely vaovao DISO sy tsy marim-pototra amin’izao fotoana izao, izay milaza fa misy ny FIFANARAHANA ARA-POLITIKA momba ny fananganana fitondrana Tetezamita nataoko sy ny Filoha Ravalomanana Marc. Etoana dia ambarako fa 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗡𝗔 ary 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢𝗦𝗢𝗞𝗔 𝗧𝗔𝗡𝗧𝗘𝗥𝗔𝗞𝗔 iny iniana aparatika iny. Tsy azo ekena velively ny Fanelezana vaovao tsy marina tahaka ireny, izay tena manohintohina ny demokrasia, ary tsy mitondra fitoniana eto amin’ny Firenena.”

Ny fahitana izany hosoka izany dia midika fa efa mandrovi-tsihy tanteraka Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, mitady mbola hanohy ny fotoam-potoana hiasany, dia ny hafa no lazainy fa manao izany. Efa samy nanamafy anefa na ny filoha Ravalomanana, na Rajaonarimampianina, fa tsy mila tetezamita izany, fifidianana madio sy marina no ilaina.