Miala Rajoelina – Misy farany raha jiaby. J – 112

Andry Tsiavalona

Tsy hifankahitana intsony ny fiainam-pirenena eo amin’ny lafiny sy ny sehatra rehetra. Samy mikatsaka ny metimety aminy sy mifanandrify amin’izay mety hahitany tombony avokoa na ny fiarahamonim-pirenena na ny mpanao politika, na ny mpandraharaha na ny Mpitondra na ny mpitondra fivavahana, eny hatramin’ny mpiaramiombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola avy any ivelany aza. Iaraha-mahalala fa taom-pifidianana ity taona ity ka manentana ny olompirenena manan-jo hifidy sy hanamarina raha ao anaty lisitry ny mpifidy ny antoko politika maro. Tsy azo lavina ihany koa anefa fa ao ireo mitaky ny hanovàna ny Fitsipika Mifehy ny Fifidianana (Code Electoral), sy handravàna na hanoloana ny mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), satria tsy azo itokisana intsony ireo ka toa tsy marisika loatra amin’izany raha tsy tanteraka ireo fitakiana ireo. Ny Fiarahamonim-pirenena sy ny Mpitondra Fivahahana dia mitaky ny hanaovana fikaonandoham-pirenena, hitadiavana marimaritra iraisana momba ny fitsipi-dalalao amin’ny fifidianana (Code Electoral), indrindra indrindra ny fametrahana fitsipi-dalalao amin’ny anakapobeny mba tsy hisy ny fihoaram-pefy ary ho eken’ny rehetra izay voka-pifidianana hivoaka.

Tsy azo odian-tsy hita fa misy ireo manizingizina, fa tsy hiverina eo amin’ny fitondrana intsony Rajoelina Andry satria nampahantra ny vahoaka sy ny firenena. Ny eo amin’ny fitondrana kosa dia tsy hita be ihany fa toa manao diam-poza, ka tsy fantatra intsony na matahotra fifidianana na tena sahy satria, etsy an-daniny, tsy sahy mamoaka didim-panjakana manamafy na manova ny tetiandro naroson’ny Ceni izy. Etsy an-kilany koa anefa misy milaza fa ho lany amin’ny fihodinana voalohany Rajoelina Andry. Raha ny tranga eo anivon’ny vovonana IRD sy ny fianam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra anefa no hanaovana tombana dia ho sarotra ny hihatrehan-dRajoelina Andry ny fihodinana faharoa fa ho raraka eo amin’ny fihodinana voalohany izy. Mandra-pahatongan’izay fifidianana izay anefa, tsy maintsy hiala eo amin’ny fitondrana aloha Rajoelina afaka 112 andro, misy farany tokoa raha jiaby, ka tsy maintsy hiala Rajoelina araka ny lalampanorenana.

Ankoatra izany, manamafy ny tahotry ny mpitondra ny fifidianana koa ny tsy fahampian’ny vola natokana hanatanterahana ny fifidianana, izay mitentina zato miliara kanefa ny mpiaramiombon’antoka misalasala hanampy ara-bola ny fitondrana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, satria nisy ampaham-bola fanampiana tsy fantatra izay nampiasana azy tamin’ny valanaretina covid-19 izay niteraka tsy fahatokisana ny fitondrana Rajoelina Andry intsony. Tsy fantatra izay tena kendren’ireo fikambanana mitaky ny hananganana tetezamita, izay lavin’ny fitondrana ihany koa satria fitadiavana seza izany. Ny azo antoka kosa dia mety ao an-tsain’ireo manampahefana sasany ihany izany, satria azo hitarina toy ny tamin’ny 2009 izany. Tsy ratsy ny tetikady saingy ny maharesy lahatra ny rehetra izao dia ny firosoana amin’ny fifidianana madio tsy hisy hala-bato sy tsy hisy “doublons” intsony.

Anisan’ny andraikitra noraisin’ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ny hanaramaso hatrany ifotony ny fizotry ny fifidianana ary hametraka kristiana hanao izany isaky ny biraom-pifidianana izy. Ny mampanahy dia tsy mitsitsy vola mihitsy izao fitondrana izao rehefa heveriny, fa ho tonga amin’ny tanjona nokatsahiny ny fampiasana izany ary azo heverina fa hararaotiny ny fahantran’ny mpiray firenena ka ho jambainy amin’ny vola ny masony hamadihana ny marina. Na izany na tsy izany dia tsapa ary tsy misy afaka mandà fa marary ity Firenena ity ary efa mikiky ary mihombo andro aman’alina ny aretina ka toy ny marary rehetra dia mila fitsaboana ary tsy maintsy fitsaboana mahery vaika (traitement de choc) no hampiasaina ary mpitsabo havanana sy manam-pahaizana sady manana traikefa momba ny karazana aretina misy eto amin’ny Nosy, miaraka amin’ny mpitsabo mpanampy mahay ny asa mifanandrify amin’ny andraikitra homena azy, no tsy maintsy manao ny fitsaboana. Tsy lany Olomanga ny Firenena Malagasy, saingy ny olona tsy mataho-tody sy ny miaramilan’i satana no mahazo laka, ka misotro ny aleoko maty mba hahatratrarany ny tanjona kendreny.