FIFIDIANANA IHANY

Ho anay fifidianana ihany no ilaina
Mba hoenti-manarina ny firenena.
Ny ankoatran’izay resaky ny be saina
Mpandrava sy vonton’ny fitiavantena.

Ho anay fifidianana ihany no ilaina
Fa maro aminay no efa miantso « vonjeo ».
‘Nareo hiala ireo izao raha toa ka tsaraina
Dia « aotra ankiroa » no sahaza anareo!

Ho anay fifidianana ihany no tsara,
Ny tetezamiitatra tsy ekena intsony.
Fantaro fa mbola hotsaraina any am-para,
‘Nareo izay tsimatimanota eny ambony!

Ho anay fifidianana ihany no andrasana
Hoenti-manilika iretsy malaso.
Omàny ny menaka mba hanendasana
Ireo fozaorana mpanao ankaso!

DADAN’i ZINA (18-05-23)