EDITO 20 Mey – “Vono olona” tsy misy fitsaharany – Miaina ao anaty tsy filaminan-tsaina ny Malagasy

Andry Tsiavalona

”Vono olona” tsy misy fitsaharany no misy eto Madagasikara nanomboka tamin’ny 2009 ary miaina ao anaty horohoro sy tsy filaminan-tsaina ny Malagasy. Tsara ho marihana fa karazany maro ny famonoana olona ary miseho eto amin’ity Nosy ity avokoa izy ireny.

Famonoana ara-tsaina na an-kolaka no atao tamin’ireny olompirenena samborina sy gadraina amin’ny tsy rariny sy tsy marim-pototra ireny. Azo lazaina fa atao izay handemena ny sain’ireny olona samborina sy gadraina ireny, noho ny tahotry ny mpitondra ny mety amoahan’izy ireny ny hadalàna sy ny toetra mamotika ny mpiray tanindrazana sy ny firenena. Tamin’ny taona sivy sy roa arivo dia famonoana olona nivantana ny nitenenan’ny mpiaradia tamin-dRajoelina Andry fa “tsy hahomby ny tolona raha tsy misy rà latsaka” ary tohin’izany ny fitifirana ireo notsofiny rano nananika ny Lapam-panjakanan’Ambohitsorohitra. Famonoana an-kolaka an-dRavalomanana Marc ny nandrobàna ny Magro sy ny Tiko ary fikasana famonoana mivantana azy koa ny nitifirana “roquettes” ny Lapam-panjakanan’Iavoloha. Famonoana mivantana ireo olona notsofin-dRajoelina Andry nandroba ny Magro teny Tanjomba, satria maro ireo maty nianjeran’ny gonim-bary. Iny andron’ny 26 Janoary 2009 iny ihany dia tena andron’ny fandrobàna ary maty main’ny afo ny mpandroba tao amin’ny “Central Trade” Analakely.

Nanomboka ny taona 2019 niverenan-dRajoelina Andry teo amin’ny fitondrana dia hita tamin’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika nampidiriny an-tsokosoko teto Madagasikara, ary narantiranty tamin’ny andro nanaovany fianianana ny 19 Janoary 2019. Azo antoka izany fa raha tsy namoaka ny didy tsy azo ivalozana nametraka azy eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika dia namono olona izy. Rehefa tafaverina teo amin’ny fitondrana Rajoelina Andry dia novonoiny an-kolaka ireo mpiray Firenena noheveriny, fa mety hanozongozona ny toerany ka namoronana dosie sy nosamborina ary nampidirina am-ponja. Anisan’izy ireny i Mbola Rajaonah, Rolly Mercia, Berija ary Rasoamaharo Lôla. Famonoana olona an-kolaka ihany koa ny tsy fandoavana ny karaman’ireo orinasa nanamboatra làlana, ny tsy fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ny mpandraharaha ara-teknika sy fampanehanan-draharaha eny amin’ny Anjerimanontolo ary ny mpiasa any amin’ireo orinasa miankina amin’ny fanjakana. Notifirina ny mpianatra nitaky ny zony tany Toamasina sy Toliara. Nopotehina an-kitsirano ny Air Madagascar ary nosoloina ny orinasan’ny ao amin’ny fitondrana, ka voaroaka ny mpiasa maro ka midika famonoana ny mpiasa tao izany. Natao vonomoka ny mponina tany Ikongo, nanadio tena ny mpitandro ny filaminana ary tsy heno intsony ny tohin’ny fanadihadiana parlemantera notakiana.

Mora manadino tokoa, angamba, ny Malagasy na notapenana tamin’ny vola ny vavan’ny fianakavian’ny maty ka tsy niloa-bava intsony. Rehefa mihoa-pefy ny mpitandro ny filaminana dia manambara fa “manatanteraka baiko”, ka tsy manenjika azy ireo intsony ny eritreriny na dia mandatsaka aina aza. Ka nahazo baiko koa ve ireo miaramila nidaroka olona teny Avaradoha omaly ireny? Araka ny vaovao dia nosamborina ireo nanao herisetra ireo ary hiharan’ny sazy farany izay henjana, ka tokony ho izany avokoa no hampiharina amin’izay mihoa-pefy rehetra na ny mpanome baiko na ny mpanantanteraka baiko. Famonoana ny tanora Malagasy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina tafiditra eto amin’izao fotoana izao kanefa tsy misy fepetra raisin’ny mpitondra iarovana ny taranaka manoloana ity toe-javatra ity. Mahazo laka eto amin’ny Firenena ny fifankahalana sy ny valifaty ary ny fifanenjehana kanefa “izay tsy miady hono olom-bodo, fa izay to-fo mpamosavy”.