NY FAMPIANARANA SY NY POLITIKA

Na ny antoko na ny loko na ny resa-politika
Dia tsy tokony hanan-toerana amin’ny seha-panabeazana,
Saingy raha ny tranga misy sy miseho eto amintsika,
Dia tsy izany velively ka mampiaiky ireo mpitazana!

Fa mandeha ny teritery sy ny tsindry isan-karazany
Izay mahazo ireo mpampianatra sy ny mpiasam-panjakana.
Raha handalo ny filoha dia tena atao tsy maintsy tazany
Hoe nivadika ho laoranjy ve ny loko eto an-tanàna?

Eny, hatramin’ny lazaadina amin’ny fanadinana aza
No efa amboarina mihitsy, ka ny tena ifotorana:
Tsy ny hanao izay hahahendry sy hampahay iretsy zaza,
Fa ny hananany fisainana tia manompo fozaorana!

Izany ilay manara-penitra efa lasa atao tsianjery,
Politika no aiditra amin’ny seha-pampianarana.
Very ianao ry firenena, tena very, tena very,
Noho ireo hagegena maro izay toa lasa fahazarana!

… Fa ny resa-politika no hita ho mibahan-toerana,
Amin’ny seha-pampianarana, na ny ambony na ny ambany,
Ka tsy hisy zava-banona ary ilana fiheverana,
Fa aiza ianao « mpitsara ambony » no minia mikimpy hatrany?

TSIMIMALO (13-05-23)