Jeune TIM Ambohimanarina – Nanentana amin’ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana koa

Stefa

Nanentana ny mponina ao amin’ny Boriboritany faha-6 sendra azy ireo, hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ary hanara-maso izany lisi-pifidianana izany, ny tanora, na ny Jeunes TIM Ambohimanarina. Asa fa tsy Kabary ny azy ireo tamin’ny fanatanterahana fidinana ifotony, nanentana ny mponina hisoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana.

Nitarika izany i Lalaina Rabezanahary sy ireo mpiara-miasa aminy. Notetezin’izy ireo tamin’izany ny tao amin’ny Fokontany Ambatolampy, Fokontany Avaratanana, ary ny Fokontany Andranomena ny sabotsy 13 mey teo. Nanotrona izany ny Distim Boriboritany faha-6, ny mpanolotsaina ao amin’ny kaominina avy amin’ny antoko TIM, ary ireo mpikatroka TIM teny an-toerana. Mitohy hatrany ny asa, tsy ho ela ny hanatanterahana ny any amin’ny Fokontany hafa hoy ihany ny filohan’ny Jeune TIM Ambohimanarina Lalaina Rabezanahary.