Fampiasam-bola amin’ny fifidianana – Nampiaka-peo ihany koa ny filohan’ny mpandraharahan’ny GEM

Aly

Nampiaka-peo ny filohan’ny GEM, Thierry Rajaona, filohan’ny vondron’ireo mpandraharaha eto Madagasikara, mahakasika ny fifidianana ho tanterahana eto amintsika amin’ity taona ity. Mitaky ny mangarahara amin’ny fampiasam-bola mandritra ny fifidianana ny GEM na ny Groupement des Entreprises de Madagascar.

Misy mpanambola mamatsy kandida mandritra ny fampielezan-kevitra, rehefa lany amin’izay ilay kandida dia mitaky famerenam-bola ilay mpamatsy, ka misy fomba marobe hamerenana azy. Isan’izany ny fanomezana : marchés sy appels d’offres, na ireny tsenam-baro-panjakana ireny. Tsy manakana mihitsy izahay hoy ny GEM raha misy orinasa hanohana kandida, fa hataovy anaty mangarahara.

Tokony havoaka ihany koa ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola amin’ny fifidianana filoham-pirenena hoy ity ity filohan’ny vondron’ny mpandraharaha ity. Nosoritany ihany koa fa : « Isika no firenena mahantra indrindra faha-4 eran-tany, nefa champions du monde ny kandidà amin’ny fandaniam-bola rehefa fampielezan-kevitra, mihoatra noho ny any Frantsa sy Etazonia rehefa fifidianana. »