Depiote Todisoa – Hanome cours faradoboka ho an’ny mpanala BEPC sy Bacc

Isambilo

Hanome cours faradoboka maimaimpoana ho an’ny mpanala fanadinam-panjakana BEPC sy Bacc (toutes series), ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM tao amin’ny Boriboritany faha-6, Todisoa Andriamampandry, amin’ny fiafaran’ny taom-pianarana 20222 sy 2023 izao. Hisy koa amin’izany fanomesza ny polycôpes maimaimpoana momba ireo taranja samy hafa amin’ireo fanadinana ireo, ho an’ireo tanora mpianatra.

Ho an’ireo mpianatra rehetra tsy ankanavaka monina ao AMBOHIMANARINA sy ny manodidina, no anaovany izao hetsika ara-panabeazana izao, ho an’ireo manomana ny fanadinanam-panjakana BEPC sy BACC. Nambaran’ny depiote Todisoa fa mpampianatra matihanina no hanatanteraka ny faradoboka, izay hatao ao amin’ny ICM Antsararay Ambohimanarina, hanomboka amin’ny 03 jona 2023 ho avy izao amin’ny 7 ora maraina. Ny fisoratana anarana amin’izany dia efa misokatra ao amin’ny sekoly ICM Antsararay Ambohimanarina, na afaka miantsoa ny 0343959600, na 0344416469, na 0346444980.