Jeune KMMR Toliara – Niofana momba ny fahaiza-mitarika sy ny politika

Stefa

Nanao fanentanana sy fanazavana mikasika ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana tao amin’ny distrikan’i Toliara II faritra Atsimo Andrefana, tany amin’ny kaominina Manombo Sud, fokontany Ambolomailake ny sabotsy 13 mey 2023 teo, tontolon’ny andro ireo mpiara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana, notarihan’ny kolonely Rabe Jules, filohan’ny KMMR (Komity Manohana ny filoha Marc Ravalomanana), nahitana koa ny avy amin’ny tanora, na ny Jeune KMMR distrikan’i Toliara I, tarihan’Andriamatoa Martial. Nisy koa ny fiofanana momba ny fanaovana politika sy ny fahaiza-mitarika tamin’io fotoana io.

Tena nandray anjara mavitrika tamin’izany fiofanana natao tamin’io fotoana izany ny tanora KMMR. Namaranana ny fotoana, nisy ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana: fiaraha-misakafo sy fiarahana miala hetaheta, izay narahina lanonana isan-karazany tao amin’ny tora-pasika na ny plage tany an-toerana, nanamafisana ny firaisankinan’ireto tanora KMMR ireto.