Fifidianana – Nanome toromarika ny TIM Ambohimahasoa ny birao politika

Niaina

Notanterahina ny alahady 14 mey teo ny fanofanana ireo mpitarika ny tanora, na ny Jeune TIM rehetra tao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa faritra Matsiatra Ambony. Nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpitarika zoky tamin’izany.

Nifanentana ny rehetra momba ny resaka fifidianana: fanentanana ny mpiara-monina hiditra amin’ny lisi-pifidianana, ny fanaraha-maso izany lisitra izany ary miantso ny rehetra handray anjara rehefa tena tonga izany fifidianana izany, izay tokony ho tanterahana amin’ity taona. Efa samy milaza ny amin’ny ho fanatanterahana izany, na ny mpitondra, na ny CENI, na ny mpanohitra toy ny antoko TIM.

Ankoatra izany, niditra an-telefaonina mivantana nandritra io fotoana io ny avy amin’ny birao politika nasionaly dia ny sekretera jeneraly: Rina Randriamasinoro, sy mpandrindra nasionaly ny antoko: Jean Claude Rakotonirina. Mbola nanamafy izy ireo ny amin’ny fanentanana ny rehetra amin’ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana, sy ny fisoratana amin’izany, ho an’ireo mbola tsy nahatontosa izany satria mbola misy ny fotoana, hatramin’ny 31 mey izao.