EDITO 16 Mey – Fitaterana – Fiaran-dalamby vonjy maika

Beharo

Fantatra tato ho ato, fa hiverina hisokatra amin’ny voalohan’ny volana jona izao, ny fitaterana an-dalamby mampitohy an’i Moramanga sy Toamasina, “train de voyageur” sahanin’ny orinasa Mada-rail, mba ho fampivoarana ny fizahantany sy ny fampandrosoana ny toekarena, raha ny vaovao voaray. Tsorina anefa fa efa tamin’ny fotoana nitondran’ ny filoha Marc Ravalomanana, no efa nisy dinik’asa momba izany, hanohizana ny fitaterana an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe: TA, Antananarivo-Moramanga- Toamasina: TCE, fianarantsoa-Manakara: FCE, ary Moramanga sy Lac Alaotra: MLA, saingy simba tanteraka izany noho ny politika, noho ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny taona 2009.

Efa nisy lohamasinina 4 tonga tany Toamasina tamin’izany fotoana izany, ary efa natsaraina ireo gara samihafa, nefa dia simba sy lasa haolo taty aoriana, feno bozaka sy fako, ary lasa toeram-pivarotan’ireo mahitahita ara-politika. Nisy ireo nilaza fa ampahany amin’ny TCE /Antananarivo-Toamasina ny làlana, ka tokony ho MCE, na M.T (Moramanga-côte-est na Moramanga Toamasina), tao koa ireo nilaza fa FCE/Fianarantsoa sy TCE no avotra, voavonjy haingana, nefa ny mankany Antsirabe koa no tokony ho jerena akaiky, mba hanatsarana ihany koa izay lafiny fizahan, sy mba ho fifaninanana amin’ny fitaterana amin’ny fiarakodia, izay potika tsy mety vita ankehitriny ny lalampiorenena faha-7 (RN7).

Tsara ny hiverenan’ny fitaterana an-dalamby izay, ary tokony hiverina hisokatra avokoa ireo rehetra nisy, ary tsy ho vonjy tavanandro fotsiny izany fa haharitra, tsy toy ny zavatra hafa nataon’izao fitondrana Rajoelina izao, be ny nampanantenaina nefa tsy tanteraka amin’izay lafiny fitaterana izay: fly over, bus 1000 ho tonga tamin’ny faran’ny taona teo, teleferika izay tsy ho fantatra ihany koa na ho vita na tsy ho vita, satria an-taonany vitsivitsy ny fanaovana izany ary maro ireo tsy mankasitraka ny handalovan’izany amin’ny taniny, toy ny avy amin’ny fiangonana katolika eto an-drenivohitra, sy ny maro hafa,…