TETIBOLA TSY ASIAM-PANITSIANA?

Hotanana ny tetibola fa tsy asiana fanitsiana?
Sao ianao ry solombava no efa tiana hambaniana,
Ka dia ho mpanangan-tanana, izany sisa no asanao,
No sady hanao ny sitrapon’ireo tsy misy kalitao!

Hotanana ny tetibola fa tsy asiana fanitsiana?
Nefa iarahana mahita ny amin’ireo tsy fahampiana.
Dia tsy hisy intsony izany fiovana antenaina,
F’efa ekena an-kitsim-po ny tsipaky ny miala aina!

Hotanana ny tetibola fa tsy asiana fanitsiana?
Efa hita fa tsy mety saingy atao fanahy iniana,
Fa ny tanjona dia tsotra nony tsisy zava-bita:
Ny hanoman-tsaina indray hiatrika tetezamita?

Hotanana ny tetibola fa tsy asiana fanitsiana?
Fitantanam-pirenena lasa atao kindriandriana!
Lalàna efa tsy mahomby no anaovana ambozizy.
Very ianao ry firenena fa mandeha any amin’ny tsy izy!

IRINA HO TAFITA (12-05-23)