Rina Randriamasinoro – Manamafy ny fandavany tetezamita ny antoko TIM

Helisoa

Manoloana ny resaka mandeha etsy sy eroa, mieritreritra hanangana tetezamita eto amin’ny firenena dia mazava ny hevitry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), araka ny fanambaràna nentin’ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara Rina Randriamasinoro. Mazava hoy izy ny hevitra, fa tsy mahasoa ny firenena ny fanaovana tetezamita ary tsy ilain’ny vahoaka Malagasy ihany koa. Misy filohampirenena iray tapitra ny fotoampiasany ve dia hanao tetezamita? Inona no antony hanaovana tetezamita? fanatsaràna ny fifidianana sy zotram-pifidianana ve? tsy ilaina tetezamita izany, satria mbola azo hatsaraina tsara amin’izao fotoana izao. Mivory izao ny parlemantera roa tonta ny depiote sy ny senatera dia azo hanaovana volavolan-dalàna hanatsaràna ny fifidianana ao anatin’izany.

Ankoatra izay, afaka manao zavatra manara-dalàna hanatsaràna ny fomba fiasan’ny Ceni raha zotram-pifidianana no tiana atao. Resaka tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena ve hoy Rina Randramasinoro no antony hanaovana tetezamita? Aleo handeha ny fifidianana, fa hisy filoham-pirenena vaovao ho lany eo dia izy no hamaha ny olana mahazo ny firenena ankehitriny. Amin’ny antoko TIM dia mazava be, aleo handeha ny fifidianana; andao hiara-hientana ny rehetra, aleo hanana fahavononana ny mpitondra hanatsara io zotram-pifidianana io fa azo atao tsara izany. Tsy ny TIM irery no manao izany, fa ny FFKM izao hanao andrimason’ny fifidianana, fa tsy hanao andrimaso Tetezamita. Ataovy izay hisian’ny fifidianana raha tena tia tanindrazana isika, hoy izy.