Fiainan’antoko – Vonona amin’ny kongresim-paritra koa ny TIM Vakinankaratra

Angola Ny Avo

Vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny kongresim-paritra ihany koa ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Ny sabotsy 20 mey ho avy izao, no hanatontosana ity fihaonam-bem-paritra ity, ka raha araka ny voalazan’ireo tompon’andraikitra dia ao amin’ny kianjan’ny Magro ao Avaratsena no hanatontosana izany.

Vahoaka maro avy ao anatin’ireo distrika 7 mandrafitra ny faritra Vakinankaratra no handrasana amin’io. Ho fanajana ny lalàna izay mitaky ny fanaovana fihaonambe anaty trano dia ho fefena amin’ny trano heva goavana ny kianja amin’io toerana io. « Feno tanteraka ny fepetra takiana satria sady ao amin’ny toerana an’olon-tsotra no hihidy anaty trano heva toy ny ao anaty efitrano ihany ny fihaonana, koa dia antenaina fa tsy hisy ny olana na ny filàm-baniny hataon’ireo tompon’andraikitry ny tanàna » hoy ny solombavambahoaka Jean François Michel voafidy teto Antsirabe voalohany, izay mikarakara ity hetsika goavana ity miaraka amin’ny solombavambahoaka Randrianantenaina José, voafidy tao Antsirabe faharoa, sy ireo ekipa maro ao anatin’ny antoko TIM.

Hetsika maro toy ny tatitra ataon’ireo solombavambahoaka, fanentanana ny amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, ny fijerena ny fiainan’ny antoko sy ny fianam-pirenena, ny fanamafisana ny fivondronan’ny mpikambana sy ny mpanaradia ny antoko ary ny lehibe indrindra dia ny ho fihaonana mivantana amin’ny filoha Marc Ravalomanana izay hihaino ny hetahetan’ny vahoaka, no handrafitra io kongresim-paritra io.

Ny alatsinainy lasa teo no efa nametraka ny taratasy fangatahana alalàna hanaovana ity hetsika goavana, izay adidin’ny antoko politika, ka tokony hatao isaky ny dimy taona ity teo anivon’ny prefektioran’Antsirabe ireo solombavambahoka roa lahy eto Antsirabe I sy II.