Sekolintsika Katolika Analamahitsy – Mitsipaka ny fandalovan’ny teleferika amin’ny faritry ny sekoly

Isambilo

Nanao hetsika ny avy ao amin’ny Sekolintsika, sekoly Katolika Analamahitsy omaly, ho fandavana ny fampandalovana ny teleferika eo amin’ny faritry ny sekoly. Niray feo ny Tale sy masera mpitantana, ny Vondron’ny Raiamandrenin’ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha, mpianatra, nilaza fa hiteraka fanelingelenana ny fampianarana ny fandalovan’izany eo amin’ny sekoly.

Tampoka ihany koa no nahalalana, fa handalo ao amin’ny faritry ny sekoly ny tetikasa. Ny 9 mey teo izy ireo no naharay taratasy fampahafantarana. Tsy nisy ihany koa ny fampahafantarana ny rafitra mifehy ny sekoly katolika: Tale sy mpiara-miasa ao aminy, ny communauté izay mitantana ny sekoly, ny Fiangonana EKAR eo an-toerana, DIDEC, DINEC.

Miteraka fanelingelenana, tsy fifantohana, ary efa maro ny Raiamandreny no mitaintaina fa ho loza mitatao izany teleferika izany. Tsy ny tetikasa no toheriny fa ny fandalovany amin’ny faritry ny sekoly.