EDITO 13 Mey – Fitondrana Rajoelina – Tsy voajeriny ny momba ny tanora malagasy manontolo

Sôh’son

Fitondrana tsy mahay mitondra vahoaka izao fitondrana Rajoelina izao. Niharihary tsara izany nanomboka ny taona 2020 no mankaty mandrak’izao. Tsy hain’izao fitondrana izao mihitsy ny mijery ny vahoaka iray manontolo rehefa manao zavatra iray toy ny lafiny sosialy, fa misy hatrany ny zara vilana na misy tsy misitraka na dia tokony hahazo avokoa aza ny rehetra no izy. Niseho nitsinjo ny tanora vao tsy ela akory izay Rajoelina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha tamin’ny fizarana medaly ireo mpanao fanatanjahantena amin’ny sehatra samihafa. Toy ny hoe mitsinjo marina ny tanora malagasy rehetra i Andry Rajoelina amin’ny fihetsiketsehana sy fisehosehoana be toy ireny, indrindra amin’ireo tanora malagasy manana olana eto amin’ity firenena ity. Tsy marina velively anefa izany, ary mahafantatra izany tsara ireo mpandinika ny fomba fitantanany ny firenena. Fihatsarambelatsihy no betsaka sy kajikajy politika. Naninona, ohatra, ny toy ireny no tsy natao hatramin’izay vao nandray fahefana, fa izao efa tsy tafavoaka iaraha-mahita sy miaina izao vao mody mikoropaka. Dia mbola hisy olom-pirenena ho voafitak’ireny fihetsika ireny ve?

Raha tena mitsinjo sy mamaha ny olan’ny tanora marina Rajoelina, dia vantany vao nitranga ny olan’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite maka ny vatsim-pianarany sy ny fampitaovam-pianarana, dia efa novahany izany. Niaraha-naheno sy nahalala tsara ny nanjo ireo mpianatra naka ny volany teny amin’ny paositra andro maromaro lasa izay. Nisy ireo mpianatra very ampaham-bolany izay misy mahatratra hatrany amin’ny iray hetsy na mahery akory aza. Tsy ampy ny vola noraisiny ary tsy mifanaraka amin’ny tarehimarika nolazaina tamin’izy ireo no raisiny. Niaraha-nandre tsara izany tamin’ny haino aman-jery nampita ny vaovao. Tsy nisy vahaolana napetrak’ireo tomponandraikitra natonin’izy ireo nanaovana fitarainana, fa dia karazany very an-javony ny volany. Miantoka ny fianarany sy ny fiainan’ireo mpianatra anefa izany. Niaraha-nahita tsara anefa, fa tsy nisy fihetsika na fepetra noraisin-dRajoelina tamin’izany.

Misy tanora voajery, fa misy kosa tanora malagasy hatrany voa mafy tsy misitraka marina ny tokony ho azy eto amin’ity firenena ity. Nisy mpianatra maty noho ny fihetsiky ny mpitandro filaminana tany Toamasina sy Toliara, fa tsy nisy fihetsika na kely aza nataon-dRajoelina Andry. Tena filohan’ny malagasy manontolo marina ve ary tena manana fitiavan-tanindrazana tokoa ve izy, sa noho ny fiarovan-tseza sy tombontsoa manokana no mitarika amin’ny fitondrany firenena? Manana valin-teny mazava tsara amin’izany ny olom-pirenena. Mbola maro ireo olana manjo ny tanora malagasy eto, ary tsy ho voaovahan’izao fitondrana Rajoelina izao velively, fa tampi-maso no betsaka.